fantatra hoe hanao inona marina eto amin’ity fiainana ity! Inona marina moa izany izao no mba vina na tetikasan’izao fitondrana izao mba efa nivadika ho asa mivaingana nampandroso ny toekarena sy sosialim-bahoaka teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 15 taona mahery nahazoany ny fitantanana an’i Madagasikara izay? Tena nitantana ilay firenena tokoa ve no natao sa nitantana sy nampiroborobo ny tombontsoany manokana avy? Tao anatin’izay vanim-potoana izay moa no nalaza ny voambolana hoe bizina politika. Zary lamaody koa ny fizarazarana fanomezana isan-karazany toy ny koveta sy sio na ny hoe nofon-kena mitam-pihavanana sy fitafiana samihafa rehefa vanim-potoanan’ny fifidianana, izay raha ny tena marina dia natao hizaràna vinam-piarahamonina na vinan’ireo kandida. Tsy nisy afa-tsy fahapotehana tamin’ny lafiny maro no nitranga. Potika ny Air Madagascar. Goraobaka ny CNaPs. Potika ny Madarail. Potika daholo izao orinasa tena an’ny fanjakana na antsoina hoe «société d’Etat» rehetra izao. Io koa izao fa mangozohozo ny JIRAMA na dia miliara maro aza no efa lany taminy. Nambara hatrany fa ho an’ny fanarenana azy moa izany rehetra izany. Potika ny sosialim-bahoaka. Tsy antenain’ny malagasy maro intsony ankehitriny izany atao hoe fiahiana ara-tsosialy izany fa rehefa tsy mihary androany dia tsy mihinana androany. Mitombo ny tsy an’asa. Mihena koa ny asa satria ireo orinasa madinika tsy manana fahafahana hividy sy hampiasa irony solona herinaratra na «groupe électrogène» sy angovo avy amin’ny herin’ny masoandro irony, ohatra, dia betsaka no voatery nakatona. Inona no ataon’ilay fitondram-panjakàna anatin’izany rehetra izany? Tsy misy maha avotra ilay fiainam-bahoaka. Mitsiriritra fotsiny ianao maheno ny fiainan-drizareo etsy amin’ny nosy Maorisy hoe tsy avela mivoaka ny trano ny olona rehefa ratsy ny andro satria ny fitondram-panjakana no efa manonitra ny vola tokony hiditra amin’ny olompirenena tsirairay anatin’iny andro ratsy iny. Ry zareo anefa tsy manana safira sy volamena na andramena ohatran’ity firenena ity. Ny eto izany sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery!
J. Mirija
Tsy mpanohitra an-drizalahy miseho azy ho tompon’i Madagasikara ireo aho, hoy ny mpanakanto sady
fa tsy manan-tsafidy intsony ny Malagasy fa na mifoha sy mandray andraikitra hitsinjovana ny ho