izany amin’izao fotoana izao. Miantefa any amin’ny filohan’ny fanavaozana izany. Atsipy ihany koa amin’ireo 4 mirahalahy hafa miara-mitantana aminy. Toy izany koa ireo karazana mpanolontsaina marobe ao an-dapa ao, ny praiminisitra sy ny governemantany, ny parlemantera, ny antoko politika, ny mpanao politika, ny vahoaka malagasy manontolo mihitsy. Inona tokoa moa izany ilay na ireo mila ovaina na mila fanovàna eto amin’ity firenena ity? Ny matetika heno dia ny hoe mila miova aloha ny toetsaina. Ezaka izay heverina hoe sarotra indrindra nefa izany satria tsy maintsy miankina amin’ny tsirairay izay samy tompon’ny sainy. Tsy afaka manova isika raha tsy miova, hoy ny namehezan’ny mpandinika azy izay. Ny dikan’izay izany dia miandry ny finiavan’ny tsirairay hiova amin’ny tokony ho fantany fa fomba ratsy fanaony hatramin’izay ka isan’ny nahatonga izao firenena izao ho farany mahantra eto an-tany aloha. Heverina fa mila fanetren-tena izany. Mila tsy fitompoana teny fantatra izany. Mila fahasahiana izany, indrindra, hanohitra ireo heverina hoe mpanao ampihimamba iraisampirenena fa tsy fianakaviambe iraisampirenena akory, araka ny hanambaràny ny tenany. Samy mijery ny ataon’ny tsirairay no sady samy miezaka manatontosa ny tokony ho andraikiny ihany koa izany eto isika mianakavy mba tsy handeha ila ny ezaka ka tsy hahomby akory. Manao ahoana ny fihetsiky ny filoha? Inona no ataony sy teneniny? Fanontaniana mipetraka koa izany ho an’ny praiminisitra sy ny governemantany. Toy izany koa ny fanontaniana mipetraka ho an’ny rehetra. Raha ny tokony ho izy dia hoe vita ny 2 volana nitsaràna ireo mpikambana anaty governemanta saingy mbola misy ala nenina farany ve izany matoa tsy nivoaka ara-potoana indray ny didy? Tsy ireo ihany nefa izany no tokony hanaovana tombana fa isika mianakavy ihany koa dia tokony hanombana hoe aiza ho aiza isika izao amin’izay anjara birikintsika avy hahatongavana amin’ny tena fanovàna eto amin’ny firenena izay? Tonga amin’ilay nambaran’ny filoha amerikanina teo aloha, John Fidzgerald Kennedy, hoe «Mialohan’ny hitenenanao hoe inona no tokony ataon’ny firenena amiko dia anontanio aloha ny tenanao hoe inona no tokony ataoko amin’ny fireneko?», araka izany, ilay izy.
J. Mirija