airtel

Edito

18-juin-2026

Samy mila fanavaozana!

Na ny fomba itantanana ity firenena

Sample post image

ity na ny fomba fijerin’ny samy

18-juin-2026

olompirenena dia hita fa samy mila fanavaozana avokoa izany amin’izao fotoana izao! Tsotra be ny porofo goavana indrindra manamarina izany rehetra izany dia izao mbola fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena hatrany izao. Matoa ny olompirenena maro no mbola mahazo aina mivarotra amoron-dalana fa tsy any anaty tsena dia satria mila fanavaozana. Matoa ny fitantanana ny firenena mbola tsy mahafa-po sy tsy mampivoatra ny fari-piainan’ny olompirenena dia satria mila fanavaozana. Toy izany koa ireo tranga samihafa nampiady hevitra rehetra hatramin’izay nisian’izao fitondràna fanavaozana izao mandrak’ankehitriny. Maninona moa no mbola miverimberina hatramin’izao ny fitakiana ny fanafoanana ireo rafitra neverina ho tsy nahomby teto amin’ity firenena ity hatramin’izay? Isan’izany ny vaomiera misahana ny fifidianana na CENI, ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana, ny antenimierandoholona, indrindra moa fa ny antenimieram-pirenena. Mila fanavaozana tsinona no heverina fa anton’izany rehetra izany. Na rafitra mpanao lalàna, arak’izany, na mpanatanteraka, ny rafi-pitsaràna ihany koa dia samy niaraha-niaiky teto amin’ity firenena ity, indrindra, tao anatin’izay 17 taona izay fa nisy lesoka ka noho izany dia mila fanavaozana avokoa. Mila fanovàna mihitsy, hoy ny hiakiaky ny tanora teraka nanodidina ny taona 2000 teto amin’ity firenena ity na Gen Z izay nandritr’ireny tolona nitranga teto amin’ny firenena nanomboka ny 25 septambra 2025. Aiza ihany ilay komity misahana ny fikaonandoha hanavaozana na hanovàna mihitsy izany rehetra izany? Inona no anton’ity fihemorana lava ity? Ny hatramin’izay ka hatramin’izao, hatreto, arak’izany, dia heverina fa samy mila fanavaozana avokoa! Asa! Rahoviana ihany!?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juin-2026

mandeha samy mitady aloha izao ny

Card image cap