indrindra fa niala tao amin’ny rafitra mpanjaka, ka nirona nakany demokrasia sy ny fahalalahana ara-poto-kevitra. Asa tena mety amintsika ve anefa ilay demokrasia ary tena haintsika ve ny mampiasa azy ? Indraindray toa adika ho fahalalahana bontolo, indraindray lalaovina amin’ny tombotsoa politika ka indraindray mety indraindray tsy mety, ny resaka lalàna sy lalàmpanorenana izany moa matetika voaviravira araka izay maha metimety izay tompon’ny fahefana politika. Mandeha eo ny fifandrahonana, fifamelezana mivantana na ankolaka, tonga hatramin’ny fifofoana aina mivantana na ankolaka. Asa aloha na sinema na tena izy tonga hatramin’ny resaka fampiasana fitaovam-piadiana, raha nalaza ny resaka fifanapoizinana tany aloha. Ahitana trangan-javatra hafahafa mety azo raisina ihany koa hoe : « kisampontsampona » mipoitra, hany ka indraindray toa adino ilay tena fiainam-pirenena, ilay tena raharaha ara-toekerana, ilay politika mampandroso,… Mitady ho lany andro mifanasa vangy sy mifanao sinema sanatrian’ny vava ? Ny vahoaka indray betsaka no ezahana habadoina amin’ny politikan’ny fanambakana toy ny kizarazara sy kividividy rehefa propagandy. Ireo afaka mandinika lalindalina kokoa ezahana kiviana mba tsy handray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena,… dia zara aza vitsy no tena mandray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena, hany koa olom-bitsy no mipetraka eo amin’ny toeran’ny maro an’isa mikasika ny hoavin’ny Firenena. Ekena fa misy ny ezaka, ekena ny tanjona hanova sy hanavao, ekena fa tsy tokony ho lany andro mitanisa ny tsy mety eto isika,… saingy mba efa betsaka ihany koa izay zava-nisy tokony ho nakana lesona izay, ka enga anie ny hamisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa ! Efa nisy dingana nirosoantsika, efa nisy tolona lehibe vita,… saingy tsy mbola ampy sy mbola tsy tratra ny tanjona, vao dingana fa tsy ny tanjona no tratra dia ny fanarenana tanteraka ny Firenena !
Toky R