airtel

Edito

14-sept-2021

Edito

Sasatry ny mamafa

Sample post image

Sasatry ny mamafa adalana ve? Sasatry ny mamafa fepetra tsy voahevitra matetika sa fanapahan-kevitra tsy nosainina lalina?

14-sept-2021

 Isan’ny fanontaniana maha te hametraka hatrany ireo rehefa misy tranga na fanapahan-kevitra raisin’izao fitondrana izao ka amoahana endrika fanintsiana izany an-kolaka na mivantana avy eo. Nitranga matetika izany tamin’ireny hahamehana ara-pahasalamana ireny. Maro izy ireny raha tsy hitanisa fotsiny ireo niainana faraparany tamin’ny resaka hetra ho an’ireo manao varotra ampitain-davitra na “vente en ligne”, ohatra. Raha haka lavidavitra ihany koa dia teo ny resaka hoe “tsy mafy noho ny pesta sy kolera io”, izay ora vitsy taty aoriana ihany moa dia niezaka namafa izany tamina fanazavana heveriny ho mitombona kokoa ny filoham-pirenena satria voaporofo an-taonany mihitsy fa namono olona lavitra noho ny pesta sy kolera ny Covid 19. Malaza indray ankehitriny ny resaka artista mifankahazo loatra amina minisitra. Miteraka resabe toy ny hoe lasa nifampitifitra sy fanagiazana fitaovam-piadiana nefa tsy misy fisamborana moa izy izao. Herinandro izay dia saika izany hatrany no matoam-baovao. Miezaky ny mamafa ary tsy sasatry ny mamafa ny tranga indray ireo heverina ho akaiky sy miaradia amin’ny fitondrana saingy ity angamba no mety ho sarotra fafana indrindra tamin’ireny rehetra ireny! mety vita vetivety ihany ny nanankona ny raharaha volamena 73,5 kilao, ny resaka “doublon”, ny resaka “bonbon sucette”, ny “ecran plat”, ny raharaha andramena, ny satro-boninahitry ny mpanjaka, sy ny hafa rehetra saingy ity mbola malaza ankehitriny ity kosa angamba ilay tonga amin’ny fomba fiteny hoe “nihoatra ny nety” mba tsy hilazana hoe “nihoatra ny fetra” ka dia io miitatra sy ifanjinjan’ny sehatra maro io. Manomboka eo anivon’ny fitondram-panjakana izany, efa eo rahateo ihany koa ny minisitera voakasika, ny Holafitry ny mpanao gazety, ny gazety sasany nalaza tsy fidiny hatramin’ny tontolon’ny zava-kanto ihany koa. Tsy hisy ho voafafa, mazava ho azy, fa hipetraka ho tantara rahateo izay voalaza rehetra teo na dia mbola takona aza aloha hatreto, indrindra moa fa ity farany ity. Miandry ny fanapahan-kevitra isan’ambaratongany miainga amin’ireo tranga sy fanadihadiana isan-karazany ny rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap