airtel

Edito

10-août-2021

Edito

Tamana amina fomba mandamoka

Sample post image

30 taona lasa sahady koa izay no nisian’ny tolona namaivay nahatonga tondran-dra nananika iny lapam-panjakana eny Iavoloha iny mba hanesorana ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany teo amin’ny toerany.

10-août-2021

Talohan’io moa dia nisy ny raharaha 1947 sy ny 1972. Taorian’izay kosa dia mbola nisy ny 2002, ny 2009, 2018. Azo fintinina amina fomba amam-panao politika miisa roa izay azo lazaina fa nandamoka hatrany hatreto ny tranga tao anatin’ireny fotoana ireny dia ny fidinana an-dalambe sy famonoana afo. Izay tsy faly rehetra na dia tsy ao anatin’ilay ampidirin’ny manao fijery bontolo hoe mpanohitra aza dia milanja sora-baventy midina an-dalambe rehefa misy tsy fahafaliany. Fara-fahakeliny eo an-tokontanim-piasany. Etsy an-kilany kosa, ny tomponandraiki-panjakana voakasika mivanta kay mahay mamaly ny hetahetan’izy ireo ihany rehefa terena mafy saingy ny fanontaniana mipetraka hatrany dia ny hoe fa maninona no miandry izay fanerena izay vao mamaly ilay fitakiana? Ny sasany aza moa ny ampahan’izany ihany aza aloha no valiany. 74 taona izany isika izao no lasa tamana amina fomba mandamoaka sy efa azo antoka fa tsy hitondra fampandrosoana eto amin’ity firenena ity na hoviana toy izany. Ny mahagaga anefa hatramin’izao dia mbola tsy nisy mpitondra nifandimby nahita ny fanafodin’izy io sy ny vahaolana maharitra aminy ihany. Raha nilaza ny mpanohitra izao fitondrana izao teo aloha teo fa faharoa amin’ny firenena mahantra indrindra teto ambonin’ny tany isika satria Soudan atsimo sisa no ambany harin-karena na PIB noho isika dia toy ny maha tretrika ny mpanohana ny fitondrana sasany ery ankehitriny ny milaza fa efa faha 5 amin’izany isika fa tsy faharoa intsony. Ny filaharana eo amin’ny sehatra iraisampirenena ve no zava-dehibe sa ilay harin-karem-pirenena mitombo? Sao dia mba ny harin-karen’ireo firenena lasa aoriantsika no nihena lavitra fa ny antsika tsy nihetsika na nihena ihany fa kely ary raha tahiany ka nitombo koa dia zara fa nisy? Tsy ny namana no hifaninana fa ny tsara efa vita, hoy ilay teny filamatra iray malaza eto amintsika izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap