airtel

Edito

05-août-2026

Tandremo

ny fampisaraham-bazana !

Sample post image

Sarotra ny mitantana Firenena ao

05-août-2026

anaty fambolena savorovoro sy fampisaharam-bazana. Na tiana na tsy tiana, misy finiavana hamboly an’izany eto. Ny fampihorohoroana sy fanakorontanana fiarahamonina amin’ny alalan’ny tsy fandriampahalemana efa miharihary. Toa mbola mamofompofona fampisaraham-bazana ankolaka na mivantana noho ny kajikajy politika amin’ny fivoizana mafy ny hoe izao ny rafitra tokony hitantanana ny Firenena. Ekena fa ny hevitra tera-bary, ary mety misy mahatsara sy maharatsy ny hevitra iray hoe mila mijanona ho Fanjakana tokana na mila miditra amin’ny rafitra Fanjakana federaly i Madagasikara ? Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa ifanarahana telina ihany, ary ny hevitry ny maro mahataka-davitra, saingy manahirana raha sanatria hambom-po diso toerana no entina manapa-kevitra. Hafahafa ny tsio-drivotra satria ny zava-misy ankehitriny, ny fahantrana, ny geja ara-toekarena samihafa, ny finiavana any ambadika any hanakorontana, ny fijoroan’ny mpitondra an-tampony nahasahy namaky bantsilana ireo tsy mety ataon’ny orinasa na sehatra vahiny toy ny amin’ny sehatry ny angovo,… dia mitaky sy tokony hampisy firaisam-pirenena mba hahafantsika manarina ny Firenena. Mahagaga anefa fa ao anatin’izao vanim-potoana izao no toa hivoizana mafy ny politika sy fomba firesaka toa mitory fampizarazarana toy ny firesahana « afoantan-tany » sy « tanindrana », « merina » sy « côtier »,… izay manahirana sy tsy tokony ho firesaka intsony aza angamba amin’izao vaninandrontsika izao saingy ezahana fongorina. Ekena ny mety fisiana olana ara-drafitra eto, fa kosa tsy ny rafitra Fanjakana tokana na Fanjakana federaly no tokony ho sakana na vahaolana ho antsika Malagasy fa ny fanovantsika ny toe-tsaina, fananantsika ny tena fitiavan-tanindrazana, fanabeazana ny vahoaka ho tena tompon’andraikitra, firaisam-pirenena, politika ara-pitantanana sy ara-toekarena mahomby sy lavitry ny kolikoly, vahoaka tompon’ny ho avy fa tsy vahoaka vidiam-bola rehefa fifidianana, fampiasana sy fitantanana ny harem-pirenena araka ny tokony ho izy, mpitondra tena vonona hitondra amim-pahintsiana sy mangarahara ary afaka mampiray ny firenena,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-août-2026

ny fanovàna nanomboka ny 25 septambra 2025.

Card image cap