airtel

Edito

16-juin-2021

Edito

Tenenina sy anarina foana…

Sample post image

Andeha atao hoe nanao kobaka am-bava daholo tokoa ary ny mpitondra hafa rehetra nialoha izao fitondrana izao tao anatin’izay 60 taona izay.

16-juin-2021

 

 

 Ny mpanjanatany rahateo, hoy ry zareo eo anivon’ny CFM izay, no nitondra izany hoe “démagogie” na “ronono an-tavy” izany. Iza tamin’izy ireny anefa no tsy sasatry ny sahy nampanantena zava-baovao, efa saika ho isan-kerinandro, toy ny amin’izao nefa ny fampanantenana hafa tsy vita akory ary na vita aza ny sasany dia tsy araka ny drafitra napetraka tany am-boalohany? Tena toy io tokoa ve ilay tokony ho endriky ny kianja Barea nambara tany am-piandohana? Aiza ho aiza eto ambonin’ny tany, indrindra, amin’ireo firenena mandroso, no misy mpitondra tsy fantatra intsony izay tena politika mazava sy fandaharan’asa tiany hitondrany ny firenena marina? Iarahan’ny rehetra mahalala ny fisian’ny IEM sy ny velirano, ny PGE sy ny PEM, heno farany teo indray koa iny ny voambolana “Fatidra”. Ny Tanamasoandro sy ny Miami hatreto tsy mbola fantatra mazava ny tokontaniny dia iny indray fa misy an’izany Tanakintana izany. Andeha heverina fa ao an-tsain’ny filoham-pirenena tokoa ary ny hanatanteraka ireny saingy noho ny sampona toy ny COVID 19 tokoa angamba no “mampitarazoka” azy, mba tsy hilazana hoe tsy mampandeha azy mihitsy. Maninona ary no mbola volena zavatra hafa indray? Mety tsy mpanao kobaka am-bava na “démagogue”, araka ny famaritan’ny frantsay azy, tokoa angamba izao fitondrana izao saingy tsapa ho misy fahabangana ara-pahalalana ny fomba sy kolontsaina na hoe “acculturation” misy eto mitaha amin’ny an’ny firenen-kafa aloha ao anatin’ny fandraisana fanapahan-keviny hatramin’ny taona 2010, raha tsy hiresaka fotsiny ny fanavaozana ny totohabaton’Ambondrona sy Analakely, ka hatramin’izao, toy ny fanovana ny rovan’Antananarivo ho rovan’I Madagasikara sy ny kianjan’i Mahamasina ho kianja Barea. Na iza na iza nandalo kilasy famaranana dia mahalala fa izany “Plan Marshall” izany dia drafitra nanorenana ireo fotodrafitrasa rotiky ny ady lehibe faharoa aloha ary nampifanarahana izany ny fotodrafitr’olona sy toekarena. Inona moa izany no fotodrafitrasa rotiky ny COVID 19 ? Tenenina sy anarina foana, hoy ilay fiteny.

J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap