tantara no maha fiarahamonina ny fiarahamonina na firenena ny firenena iray, hoy ny fijerin’ireo mpahay tantara azy. Ho an’ireo mpandinika ny siansa momba ny olombelona sy ireo siansa momba ny fiarahamonina mihitsy kosa dia ny teny, ny tany, ny tena izay maha olona ny olona no maha izy azy ny fiarahamonina na firenena. Na miresaka tantara isika na miresaka ny tena na ilay voalaza teo hoe ilay olombelona nifanaranaka ka nahatonga izany firenena malagasy izany ho firenena malagasy, ohatra, dia hita fa mifamatotra ihany izany atao hoe tantara sy ny tenan’ireo tantaraina ao anatin’izany tantara izany. Hatraiza amin’izao fotoana izao ny fanajàn’ny malagasy ny teniny? Hatraiza ny fitiavany ny taniny? Firy isan-jatontsika io tokoa moa izany no tena mbola azo sokajiana hoe tia tanindrazana? Zary lasa lamaody amin’izao ny hoe andeha hipetraka any an-dafy. Ao koa ny hoe hanohy fianarana any am-pitan-dranomasina dia rehefa vita ny fianarana dia any dia any. Maro mihitsy aza moa ireo manam-pahaizana malagasy no voasarik’ilay antsoina hoe fiasàna ho an’ny firenen’olon-kafa na «fuite de cerveau». Sarotra koa nefa ny hanome tsiny ireny rehetra ireny rehefa iverenana jerena ilay antony farany maha firenena sy fiarahamonina voalaza teo dia ny hoe tena na ny tantaran’ilay fiarahamonina teto amin’ity Madagasikara ity sy ity ambara ho firenena malagasy ity. Firenena nianjadiana fanababoana mivantana na «colonisation» nandritry ny 62 taona (1896-1958). Niaina fipoahana krizy azo lazaina hoe matetika loatra nanomboka ny taona 1947, 1972, 1991, 2002, 2009, 2018, 2025. Niha kely hatrany koa ny elanelan’izay taona nipoahana krizy izay. 25 taona dia avy eo lasa 19. Lasa 11 taona indray taorian’izay dia lasa 7 taona sisa. Mba niha lavitra kely 9 taona indray taorian’izay fa dia iny niverina 7 taona iny ihany nefa. Hany ka ny mitsoaka izany «cercle vicieux» na boribory vetaveta rehetra izany, hoy ny filazantsika azy, sisa no hany hitan’ireo mpiray tanindrazana mbola mba manana fahafahana ara-bola ho vahaolana. Aiza ihany ilay dinika na fikaonandoha matotra iarahan’ny rehetra tsy hisian’ny atao hoe krizy intsony eto amin’ity firenena ity? Aiza ny fampiharana ny hoe tany misy olobe tsy miady zaza? Ny zava-dehibe inoana fa lefy aloha angamba amin’izao fotoana dia ny tsy fisiana fanindraindràna loko politika intsony! Isan’ny tsikaritra ho saika niteraka hatramin’ny fisaraham-bazan’ny samy malagasy ihany io tao anatin’ny 16 taona. Efa misy ve ny paikady hahafahana tena mampiray hina ny malagasy rehetra tsy hijery afa-tsy ity tanindràzany ity aloha? Fanontaniana mipetraka toy izany koa ny mikasika ny paikady matotra handresena an’ity fanakorontanana saim-bahoaka manoloana ny resaka fahaverezan’olona mirongatra eto amin’ity firenena ity. Miainga indray koa ireny ny fitokonan’ireo heverina hoe mpiasam-panjakàna sy mpiasam-bahoaka samihafa noho ny hoe tsy fampisitrahana azy ireo ny zony. Olana tsy misy vaovao teto amin’ity firenena ity an-taonany maro izany rehetra izany fa ny hany andrasana izany izao dia ny fanavaozana ny vahaolana aroson’ny fitondràm-panjakàna sy ireo tomponandraikitra voakasik’izy ireny. Aiza ihany ny fikaonandoha hanamboarana an’izany sa efa azo hanamboarana an’izany izao fomba fitantanana izao?
J. Mirija