airtel

Edito

29-avril-2022

Edito

Tezaina hiraviravy tànana

Sample post image

Lahatra sa sitrapo ny fahantrana ? Fanontaniana mila valiny ho an’ny firenena sy ny vahoaka io. Toa zary tezaina sy voataiza hanaiky lembenana sy tsy ho afa-manoatra mantsy ny vahoaka Malagasy.

29-avril-2022

Misy ny sasany dia efa milentika ao an-tsainy mihitsy ny hoe: ny ezaka ataon’ny tsirairay no mampahantra na maha mpanankarena azy. Misy fahamarinany izany amin’ny lafiny iray, saingy isan’ny fositra lehibe ny mpitondra Fanjakana, ary tompon’andraikitra voalohany amin’izao fahantrana mandifotr’olona izao. Ny Fanjakana no natao ho mpanalalana amin’ny famahana ny olan’ny vahoaka. Miankina amin’ny laharam-pahamehana sy ny programan’asany no ivelaran’ny vahoaka. Iankinan-javatra be dia be ihany koa ny fahaiza-mitantana saingy mivaona tanteraka io eto. Ny hanao afera sy hangoron-karena no mahamaika, hany ka izao no manjo ny firenena. Ny manahirana sy mampalahelo anefa, toa efa manaiky lembenana ny vahoaka, hitan’ny mpitondra be afera ny fahalemeny, ny mpanao politika izay mijoro ho mpanohitra ihany koa toa efa refesin’ny Fanjakana hoe: hatreto ka hatreto ihany ny zavatra ataon’ireo. Zary lasa manome vahana ny handalan’ny mpitondra ny endrika firaviravizan-tànana ataon’ny olom-pirenena. Mihevitra ho mafy tsy mba tratry aloka, ka tsy miova sy tsy mivoatra mihitsy ilay fomba fiasa sy fitantanana. Mahantra sy fadiranovana ny vahoaka, kanefa vao mainka hararaotina amin’ny fahalemeny satria notezaina hanaiky lembenana. Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza, hoy ny fomba fiteny, kanefa dia maro loatra ny fampantenana poakaty efa natao izay. Matetika, manao zavatra vao mandinika ka indraindray midona amin’ny rindrina. Asa hanao ahoana, ohatra, io resaka fampiakarana ny karama ho an’ny mpiasan’ny sehatra tsy miankina io? Ny Fanjakana no naneho fa hifampidinihana ny fampiakarana. Ny ao an-tsain’ny olona dia tsy maintsy hiakatra izany fa ny isan-jato sisa andrasana ka asa hoe: hanao ahoana ny vokatry ny dinika satria nolazaina aloha izany vao hifampidinihana? Ny krizy amin’ny endriny maro misy mbola tsy mivaha: fampianarana ambony, fahasalamana, karaman’ny mpanao làlana,… Ny ara-politika toa mandry lavo loha hatrany ny Fanjakana! Aiza ihany ilay hoe isika no hanavotra izao tontolo izao fa latsain’izao tontolo izao anie hatreto no misy e ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap