Pr Louis Paul Randriamarolaza, ka noho izany dia tokony ho avo roa heny amin’ny fiasan’ny vava ny fiasan’ny maso sy ny sofina. Asa hoe firy isan-jaton’ny mpanao politika malagasy, indrindra, ireo nahazo sy mahazo fitondràna hatramin’ny repoblika voalohany ka hatramin’izao tokoa no mba efa nisaintsaina ny hoe mihaino sy mandinika aloha vao miteniteny eny imasom-bahoaka na anaty haino aman-jery? Ny fahendrena malagasy aza moa milaza hoe «Avadiho im-pito ny lela vao miteny!». Ilaina ny mandinika sy mihaino ny hafa no dikan’izany mialohan’ny andraisana fanapahan-kevitra fa tsy hoe «Izahay aloha izao no mitondra!». Ankehitriny dia io iaraha-mahita mizotra tsikelikely any amin’ny fitroarana lava avy amin’ny vahoaka io ary ny vokatr’ilay hoe «Izahay aloha izao no mitondra!». Toa mampamisavisa tohiny izany hoe «tsy mila mihaino anareo mpanohitra na ianareo ivelan’ny fitondràna izahay!». Na iza na iza mitsikera ny fomba fitantanana eto amin’ity firenena ity rahateo moa dia nataon’izao fitondràna izao sy ny mpanaradia azy ho mpanohitra hatrany. Raha manohitra ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny sy ny tsy fisian-drano efa mahafaty vahoaka mihitsy ianao dia avy hatrany dia ataon’izy ireo safobe mantsina hoe mpanohitra ny fampandrosoana na mpanohitra ilay fitondràna manontolo. Tsy mila henoina ireny. Fahavalontsika mihitsy aza moa, hoy ilay ben’ny tanàna volomboasary iray izay. Andao fa lalana amin’izay aza, hoy ireo olon-kendry! Tohizo ihany ny be marenina! Tamin’ity herinandro ity vao nipopopopo nitady ny fomba rehetra nahafahan’ny olompirenena malagasy tsy maintsy miantehitra amin’ny rano sy herinaratry ny JIRAMA izany hoe ahoana no ahafahan’izy ireo misitraka JIRAMA faran’izay betsaka anaty 24 ora na 24 amin’ny 24 ora mihitsy izany, raha ny zava-nisy niaraha-niaina, indrindra, teto Antananarivo renivohitra tato ho ato aloha? 16 taona, hatramin’ny 2009 nefa, nisy fifandimbiasana sosokevitra na vahaolana avy amin’ny sehatra samihafa marobe foana fa firy isan-jato tamin’izany moa no mba noraisina? Mbola ho toy izao ve no niainana raha nisy noraisina izany rehetra izany? Nandeha teo daholo na ny resaka Tsimiroro na Bemolanga na ny amin’ny alalan’ny rivotra sy ranomasina ary masoandro, hatramin’ny ny stratejia tokony hamerenana ireo nosy manodidina satria be angovo ilaina ao saingy naleo izany hatreto aloha nisafidy ho be marenina angamba dia hoy sisa ireo mpitazana sy mpananatra hoe tohizo ihany ny be marenina ary!
J. Mirija