airtel

Edito

12-juin-2026

Tokony hitehaka ve ny Malagasy ?

Mamono mankaiza ihany

Sample post image

ity fiainam-pirenena ity e ?

12-juin-2026

Ny fikaonandoham-pirenena toa somary nangingina, ny tena aim-pirenena hafa toy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana miteraka adihevitra tsy ifankahitana,… Ny isavovoroan-kilatoana ve ? Toa betsaka ihany izay toe-javatra hafahafa izay, toa toa manaratsy endrika ny fitondram-panjakana na eo aza ny ezaka samihafa. Dia io iandronan’ny vavam-bahoaka io ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Nisy hoditr’akondro nolovaina tamin’ny fitondrana teo aloha, izay niaraha-nahalala ny finiavana hambotry vahoaka, ny politika tsy mba nanana finiavana hanao fitsinjaram-pahefana,… hany ka hatramin’ny anjara masoandro kelin’ireo kaominina 1600 latsaka kely dia ny hetran-tany sy hetran-trano aza natao rapa-dango. Indrisy fa nanohy izany ireo lazaina fa solombavambahoaka, izay mbola ny volomboasary moa no niofo ho fanavaozana. Rehefa avy namorona olana dia tonga toy ny mpanavotra hamaha izany ka asa na tokony hitehaka na ho tezitra ny Malagasy ? Mora ny miala bala fa efa ianareo Solombavambahoaka ireo ihany no nifidy io lalàna io fa tsy Rajoelinareo izany ! Izay anie ilay hoe forongony e ! Ary ny tena mbola olana be ho anay mba nanohana be io tolona io, dia mbola ireo ihany no mifidy lalàna amin'izao ». Marihina ihany koa anefa fa manana adidy ny olom-pirenena amin’ny hetra, haba, adidy samihafa,… izay tena tokony hefaina, fa kosa mitaky tamberin’andraikitra araka ny tokony ho izy amin’ny Fanjakana. Izay ilay hoe : Fanjakana tsara tantana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

11-juin-2026

fianjeràn’ny fitondràna Rajoelina moa

Card image cap