airtel

Edito

03-juin-2022

Edito

Tompondakan’ny tsy fahaiza-mitantana

Sample post image

Efa an-taonany izao no nimenomenoman’ny olom-pirenena maro mikasika ny volam-bahoaka na koa hoe ny volan’ny mpiasa Malagasy akana ny karaman’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ankehitriny

03-juin-2022

monja. An-jatony tapitrisa Ariary maromaro no resaka teto kanefa ireny niaraha-nahita ireny hatrany moa ny vokany taorian’ny CAN 2019. Tsy tafakatra tany amin’ny tompondakan’I Afrika manaraka intsony ary lasa sakaizam-paharesena foana indray, indrindra, tao anatin’ny fitantanan’ity mpanazatra zary ampanankinana mihitsy ny hoavy manontolon’ny kitra eto Madagasikara ity. Zary vazivazy fanesoana ankehitriny ny hoe efa nivoatra satria ny faharesena 4 noho 0 efa lasa 3 noho 0 sisa. Tsy dia hidirana lalina be intsony angamba ny momba izay fa ny tiana ahatongavana dia ny hoe zary lasa atsipy eny an-davarangana hatrany izany aloha izao ny volam-bahoaka ao amin’iny lafiny iray iny. Ny lafiny hafa toy ny vola nampindramina ny tompony ihany koa tsy iverenana intsony. Raha anontaniana ny maro an’isa hoe lojikam-piainana ve izany dia inoana fa samy resy lahatra fa tsia! Mirongatra io ny fakana an-keriny mampihorohoro ny tanan-dehibe. Efa nanao fanambarana moa iny ny polisim-pirenena ka ho hita eo tokoa izay ho vokany. Tsy izany ihany anefa no endriky ny tsy fandriampahalemana mpiseho eto. Ny any amin’ireo faritra hafa moa dia mbola mitoetra ny asan-dahalo, ny vono olona feno habibiana, ny fakana taova, ny vaky fasana sy ny hafa rehetra tsy voatanisa. Ny vidim-piainana miha midangana hatrany ary hatreto aloha dia ny azo ilazana azy amin’ny fomba mba heverina ho miabo ilay fampiakaran-karama angamba dia hoe marika na “symbolique” fotsiny ihany. Araka ny fitarainana heno matetika eny amin’ny fiarahamonina eny dia hoe ny vola miditra mihena kanefa ny mivoaka mitombo na dia efa nahena koa aza ireo filana isan-tokantrano. Aiza ho aiza amin’izany santionana fahasahiranana rehetra izany moa izany izao no vokatr’ireo hoe fofom-bola nireharehana farany teo na koa ireo famatsiam-bola an-tapitrisa Euro na Dolara voalaza ho efa an-tanana. Nitondra fihatsaran’ny fiainan’ny isan-tokantrano ve? Aiza ny fangaraharaham-pitantanana? Sarotra ny handa fa izany olana isan-tsehatra izany na fanatanjahantena io na ara-tsosialy na toekarena na hafa dia mampiseho ny maha tompondakan’ny tsy fahaiza-mitantana izao fitondrana izao hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap