airtel

Edito

18-mai-2022

Edito

Toy ny jerem-potsiny

Sample post image

Samy tompon’andraikitra mahazo ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao isika rehetra izay manana kara-panondrom-pirenena malagasy na monina eto amin’ity Madagasikara ity io na any ivelany any.

18-mai-2022

Toy ny jerem-potsiny ny fiainam-pirenena ankehitriny. Ny mpitondra izay tarihin’ny filoham-pirenena moa efa hita mitety faritra mankalaza tena sahady ary sarotra ny hino fa tsy ho isan’ireo hiazakazaka ho eny Iavoloha indray ny tenany amin’io taona 2023 io. Etsy ankilany dia manao izay ho afany koa ny herivelona politika hafa ivelan’ny fitondrana. Mba midina ifotony sy mamory vahoaka maro ihany koa. Ny dikan’izay dia tsy misy azo antenaina loatra aloha izany ireo mpanao politika raha mikasika ny resaka ivelan’ny taona 2023. Tsy anavahana io na anatiny na ivelan’ny fitondrana. Nihetsika daholo tato ho ato ny sampana ara-panjakana maro noho ny fiodinan’ny raharaham-panjakana izay miha miisatra hatrany. Vao omaly indray izao iny ny sampana mpikirakira ny antotan’isa no tena hoe niantso vonjy mihitsy. 26 taona ngarangidiny no tsy nisy antoka ho an’ny hoavin’izy ireo na ny marimarina kokoa ny fisotroan-drononony, eny, ny lafin’ny fahasalamany ihany koa. Ny olan’ny oniversite moa efa tsy lazaina intsony. Efa nijaly ny toko 3 mahamasa-nahandro teny hatramin’izany fa naharitra indrindra tamin’ireo efa nisy hatramin’ny ela kosa angamba ny fisian’izany atao hoe oniversite maty izany tamin’ity taona ity. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona mahery. Ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana mitaraina mafy mihoatra ny hatramin’izay, ny fizahantany marary, ny fitsaram-bahoaka sy tsy fandriampahalemana miha sesilany indray. Ekena fa mety ho sarotra ny hamongotra izany ifotony kanefa ankehitriny dia miara-mahita angamba ny rehetra fa toy ny jerem-potsiny.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap