airtel

Edito

05-mars-2021

Edito

Toy ny vitan-tsetsetra

Sample post image

Mahantra indrindra maneran-tany ny Malagasy. Mitotongana ny fanajana ny kolontsaina sy soatoavina.

05-mars-2021

Toy izany koa ny fari-pahatakaran’ireo solofo sy dimby mandranto fianarana manomboka eny amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony. Santionany amin’ny loza mitatao sy mihatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny manodidina azy izay mialohan’ny hampatsiahivana ireo tsy fahatomombanan’ny fiarahamonina Malagasy amin’ny ankapobeny ankehitriny mihitsy. Mbola tsy mivaha ny tsy fandriampahalemana. Mbola tsy zaka ary miha mampikaikaika ny maro ny fidangan’ny vidim-piainana. Mikorontana tanteraka ny tontolon’ny asam-panjakana ary mbola tafiditra ao anatin’izany koa ilay resaka anjerimanontolo teo. Vao maika miha manahirana ny mahazo fampitaovana sy vatsim-pianarana hatramin’ny trano fonenana ho an’ireo mba te ho tonga vato nasondrotry ny tany satria dia mitokona koa izany ankehitriny ireo tomponandraikitra amin’izany fa ataon’ny fitondram-panjakana anjorom-bala ny fanomezana karama. Ny Jirama miha banky ropotra. Sady mandona ny lafiny sosialy io no toekarena. Mbola tsy tafarin-doha hatramin’izao ny sehatra tsy miankina sy ny fizahantany saingy ny hita eny amin’ny tambazotran-tserasera sy lasa lamaody indray izao ny miteny azy dia ny hoe “Ontsa anie aho!”. Maha ontsa, hono, ny mahita ny fahantrantsika sy ny tsy fahatakarantsika, raha ambara amin’ny fomba tsy dia mandratra loatra. Toy ny vitan-tsetsetra sisa no hiheveran’ny Malagasy sasany ny fahafaha-mamaha ny olana eto. Miala amin’ny resa-jaza dia miditra amin’ny resa-tsokatra, hoy ny vazivazy omaly izay. Rahoviana ihany tokoa isika moa vao tsy ho valalabe mandry intsony fa be mifoha ?

 J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap