airtel

Edito

10-mars-2026

Tsio-drivotra mafana !

Mafampana ny tsio-drivotra

Sample post image

politika ka mampametra-panontaniana hoe :

10-mars-2026

hanao ahoana ny ho avy ? Tato anatin’ny fotoana fohy, niongana ny ben’ny tanànan’Antananarivo, rava ny governemanta,… Mbola samy maminavina ny rehetra hanatsara zavatra sa sanatrian’ny vava ho poizina ara-politika hanamafy ny tsy fahamarinan-toerana ? Amin’ny fomba ahoana ohatra no hanatanterahana fifidianana amin’ity CENI nisy olana hatry ny ela, lisi-pifidianana nambara fa feno hosoka, fokontany mbola olom-boatendry teo aloha ny ankamaroany ? Tahaka izany ihany koa ny governemanta izay tsy azo lavina amin’ny ampahany fa betsaka ny fanarenana sy fanovana mila atao, fa tsy takona hafenina ihany koa ny ezaka nataon’ireo mpikambana sasany,… Asa hanao ahoana no ho endriky ny fanovana ho avy ? Mandeha amin’ny lafiny teknika sy stratejika ary ny lojika sa miorina amin’ny kajikajy sy tsindry goavana ara-politika ? Ahoana amin’izay no ho fizotrany sao sanatria handeha an-jambany ka izay alehany any alehany ? Ny irariana dia mba ho fanapahan-kevitra tena miorina amin’ny lojika sy ho fanatsaran-javatra satria raha amin’izao vanim-potoana izao isika no sanatria mbola hanao fahadisoan-dàlana ara-politika na hamerina ny fanao efa tsy nety tany aloha dia tena fiverenan-dàlana hovidian-dafo ary mety ho toy ny namono biby tsy nahafaty ka hifoteran’ny rambony. Tsy azo atao intsony ny manao kitsapatsapa politika, na handray fanapahan-kevitra mety hampidi-kizo,… fa ny làlana hizorana sy ny programa hotanterahana dia tokony ho efa fantatra mazava. Ny hamisavisana ny ratsy tokoa tokony hiavian’ny soa, ka matoa mametraka ahiahy eo anatrehan’ny toe-javatra maro dia tahotry ny ho tafidi-bingo indray. Efa leom-boanana rahateo ny Malagasy ka tsy tia zava-boribory ka sao sanatria ho tonga amin’ilay teny vahiny hoe : « entre la peste et le choléra » ny fiainam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap
14-avril-2026

fifamaliana bontana ara-politika tato ho ato.

Card image cap