airtel

Edito

11-oct-2021

Edito

Tsisy afaka miambo samirery

Sample post image

Nanao ny ainy tsy ho zavatra aloha ny mpilalao sy ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara matoa afaka niala tao anatin’ny nofy ratsin’ny faharesena lava.

11-oct-2021

Zava-dehibe izany, ary nisy ny ezaka sy ny finiavana tao matoa tonga amin’izao vokatra izao ihany, na ekena aza fa kely ny herijikantsika amin’ity fihazakazahana haka ny tapakila mankany Qatar ity. Nahitam-bokany ny ezaka na tao anatin’ny mangidy sy ny mafaitra aza ny fanomanana ireo lalao roa ireo satria ny fotoana nanomanana tena iray na roa andro no nananana sy nametrahana tandin-dokanga hisian’ny rindran-damina. Lesona azo tsoahina, dia ny hoe tsy mora ny mitady fandresena izany, ary ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ahazoana vokatra. Tsy misy afaka hiambo ho nahavita samirery, fa mila fiomanana, mila firaisan-tsaina, mila herim-batana, mila moraly,… Nahazo fahombiazana aloha izany ny ekipantsika omaly ary irariana hitohy. Fa asa mba manao ahoana kosa ireo mpitantana ? Mbola hiady hifanapotika noho ny tsy fitoviam-pijery na koa ny baiko politika sa mba hahay hiaina sy hifandamina amin’izay? Havela hanana ny fahaleovan-tenany amin’izay ve ny ekipam-pirenena sy ny mpanazatra sa mbola hanaovana taingim-bozona hakan’ny olona iray voninahitra? Mbola hoentina amina “werawera” tsy maintsy mandeha sa hoentina amina fanohanana madio tsy mila tambiny ara-politika? Ny zavatra tsikaritra teo aloha dia toa tena miditra amina lalao maloto, ka misy mihitsy no toa efa miandry an-kendritohana ny tompon’andraikitry ny kitra sasany ahafahana manameloka hoe: io ary fa tsy nahomby ny ekipam-pirenena fa soloy ny mpanazatra notendren-dRanona, havereno I Ranona,… Ny baolina kitra tsy ireo mpilalao sy ny mpanazatra ihany fa hodidina sy tontolo goavana ahitana rafitra sy antanan-tohatra ka rehefa ireo no misy tsy mandeha, dia miara-mikatso ny rehetra. Toy izany ihany koa ny fitantanana firenena. Misy rafitra sy rindran-damina, misy ekipa, fa tsy olona iray no mahavita an’io, ary izay no mahadiso ilay olona mirehareha, fa izy no tena miezaka mampandroso ny baolina kitra, fa ny teo aloha rehetra aortra avokoa. Toy izany ihany koa ny fitantanana firenena, rehefa ratsy ny ekipa, dia ratsy ny vokatra, saingy eto moa toa olona iray no ezahina hasongadina sy ankalazaina, ka raha baolina dia feno azy ny kianja sy ny toerana rehetra, ka lojika raha tsy misy mandeha amin’ny laoniny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap