airtel

Edito

05-janv-2024

Tsy afa-bela!

Na tiana na tsy tiana! Tsy afa-bela! Izay no

Sample post image

mamehy ny fifamatoran’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra notendreny,

05-janv-2024

izay raha raisina ho toy ny hoe nandeha araka ny tokony ho izy izany ilay fanaovan’izany filoham-pirenena izany ny tombana isaky ny 6 atao amin’ny governemanta, dia fanim-polony fara fahakeliny voatendriny ho praiminisitra izany antsoina hoe Ntsay Christian izany. Praiminisitra izay efa nitondra teo maherin’ny 5 taona satria efa sady praiminisitry ny marimaritra iraisana namarana ny fitondrana Rajaonarimampianina koa ny taona 2018. Maro no azo ambara, raha ny mikasika ny atao hoe tombana ho an’ny mpamakafaka sy mpanara-baovao saingy ny mamintina azy angamba dia tsotra. Isan’ireo firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ilay lazaina hoe firenena malagasy amin’izao ary firenena manana vahoaka noana betsaka indrindra eto ambonin’ny tany, raha ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisampirenena moa izany izy iny. Mbola misy Pesta eto. Vao tapa-bolana lasa mahery kely angamba no nisy fampahafantarana voalohany ny tranga iray momba izany tany Ivato centre tany. Saika manerana ny nosy ny feno fako ary ny olona ao anaty fitondrana ihany moa vao omaly no nampiranty ny fiparitahan’izany tany Toliara tany. Ny eto Antananarivo, izay renivohitr’ilay firenena, efa tsy hita intsony izay azo ilazana azy fa na ny filazana izany ho maharikoriko aza angamba mbola tena faran’izay maivana! Firifiry ny zava-mamoha henatra na “scandale” nitranga tao anatin’izay fitondrana Ntsay nandritry ny 5 taona mahery izay? Fanimpiriny no efa nisian’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny parlemanta io praiminisitra mbola miraikitra amin’ny sezany mandra-kandroany io? Na inona na inona fanazavan’ny filoham-pirenena dia heverina fa manahirana ihany angamba ny hamaritra izany voalaza rehetra izany anaty voambolana malaza hoe “fandrosoana”. Ny sehatra iraisampirenena aloha izany dia niaraha-naheno raha nilaza ny heviny fa fihemorana no hita. Fihemorana saingy… tsy afa-bela ny filoham-pirenentsika!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap