amin’ny ezaka hitondra fanavaozana eto amin’ny Firenena. Mahavelom-bolo ohatra ny dingana ara-toekarena nahatrarana 3,7 miliara dolara ny tahirin’ny vola vahiny eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara, izay heverina fa mba mitondra fitonitoniana ara-toekarena raha tsy hilaza afatsy ny sandam-bola Malagasy. Na izany aza, tsy afaka handihy tsy afa-tavony isika, mila manohy ny ezaka,… Tsy mora ny miandry ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Tsy azo avela ho raraka an-tany ny dingana efa nandrodanana ny Fanjakana tsimatimanota, satria izany no fototra namelomana indray ny fanantenan’ny vahoaka. Raha mihemotra isika, dia ho very maina ny sorona sy ny ezaka natao, ary hiverina indray ny rafitra manararaotra sy manimba. Ny tsindry dia avy amin’ny lafy rehetra: ara-politika, amin’ny endriky ny mpifaninana mitady hamingana; ara-toekarena, amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny tsy fahampian’ny asa; ary ivelany, amin’ny fiovaovan’ny tsena sy ny toetr’andro ary ny fifaninanana iraisam-pirenena. Tsy mora ny miandry amin’izany toe-javatra izany, satria ny tsindry dia mitombo hatrany, manery ny fitondrana haneho fahavononana sy fahitsiana. Mitaky faharanitan-tsaina lalina sy fahaiza-manao goavana ny fitantanana Firenena. Tsy ampy intsony ny kabary sy ny fampanantenana; ilaina ny fahaizana mandanjalanja, mandray fanapahan-kevitra haingana, ary manatanteraka amin’ny fahitsiana ahitana vokatra sy fiovana azo tsapain-tanana. Ny heverina ho mpifaninana politika dia mety hamingana, fa ny “mpamosavy malemy” ireo rafitra sy olona mbola manararaotra sy manimba dia mbola mila fehezina tsara. Tsy afaka miandry amin’izao ny Malagasy, fa miandrandra vokatra. Mila manaporofo fa mahavita mitondra amin’ny fahintsiana, faharanitan-tsaina, ary fahaiza-manao ny Fanjakana. Raha tsy izany, dia ho very indray ny fanantenana sy ny fahatokisana, ary ho lasa tantara mitohy ny tsy fahombiazana mitondra any anaty lavaka mangitsokitsoka.
Toky R