airtel

Edito

29-déc-2023

Edito

Tsy afaka ny handevin-tsotrobe !

Sample post image

Mivalona indray ny taona, ary miomana hitsena ny taona vaovao ny rehetra !

29-déc-2023

Samy manana ny fomba hiatrehany ny fety, fa ny tsy azo lavina dia betsaka no miaina amin’ilay hoe : mason-tsokona masom-boalavo ka izay kely hananana no ahiratra e ! Hita taratra amin’ny andavananandrom-piainan’ny rehetra ny fahasarinana, miantraika any anaty vilany ny krizy miseho amin’ny endriny maro. Taona vaovao izany dia tokony hananan’ny rehetra fanantenana vaovao, fiaingana vaovao, ainga vao,… Sanatria tsy finiavana hamendrofendro anefa, fa no mieritreritra fa ny tarehin-tsoritra fotsiny no hiova fa ny fahasahiranana sy ny fahantrana mitoetra. Ny delestazy, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ny mpitondra tsy nahomby,… dia mbola hanara-dia sy malaina hisaraka amin-dRamalagasy hatreto. Tsy afaka ny hanary toky sy hitolefika lava anefa isika, fa ny zava-drehetra dia mila hakana lesona foana. Tsy adala ny Ntaolo nilaza hoe : « Indray mandeha ve no manta vary dia handeha handevin-tsotrobe ?». Mbola haverina foana fa mitaky adidy, mitaky finiavana, mitaky fahatsapan-tena, mitaky fandraisana andraikitra ny fanavotana an’i Madagasikara. Tsy vitan’ny fiarahamonina miolonolona sy samy maka ho azy intsony fa tena mila fitiavan-tanindrazana amin’ny lafiny maro : fitantanana, toekarena, sosialy, politika,… satria ny Malagasy no voalohany afaka hampandroso ny fireneny. Izao no fotoana tena ilàna ny antsoina hoe : « patriotisme économique » raha te hanavotra izao olana goavana ara-toekarena toy ny vola mitotongana, ka ny famokarana ato anatiny, ny fanjifana sy ny fampiroboroana ny vokatra Malagasy mba hivoatra, ny fifanomezan-tànana sy ny fanomezana vahana ny mpandraharaha Malagasy, ny fahaizana mijery ny laharam-pahamehana mba ena ho amin’ny tombotsoan’ny besinimaro fa tsy haitraitra lava,… no isan’ny ahafahantsika miarina. Tsy voahozona i Madagasikara sy ny vahoakany, mbola betsaka ny fanantenana na mety tsy hamokatra haingana anio sy rahampitso aza, saingy mila atomboka ny fanovana mba tsy ho vidian-dafo aoriana satria tena tsy mora ihany koa ny mandresy ny faharatsiana izay miseho amin’ny endriny maro ankehitriny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap