airtel

Edito

05-mars-2024

Tsy fahamatorana

sa fanabadoana vahoaka ?

Sample post image

Raha nisy Fanjakana tsy sasatry ny fatoran’ny zavatra

05-mars-2024

ataony sy teny noteneniny angamba dia ity ankehitriny ity no tompondaka tao anatin’ny 60 taona, mba tsy ilazana fa na asiana fifaninanana maneran-tany aza dia tena lohalaharana. Manaporofo ny tsy fahamatorana ara-politika sy ara-pitantanana sa dia efa tena fanabadoana sy fanambaniana vahoaka ankitsirano. Omaly milaza fa tsy handroso mandrakizay isika raha hiantehitra amin’ny mpamatsy vola, kanefa anio fakana sary aza lazaina fa fahatokisan’izao tontolo izao. Voatety ny vazan-tany efatra fa tsy hita izay tena vokatra mahomby azo tsapain-tànana sy miantraika amin’ny firenena. Omaly lazaina fa hanomboka ny tanamasoandro, vonona ny Al Jaber hanangana trano mijoalajoala fa roa taona aty aoriana tsy nisy na biriky iray aza natsangany dia ny Tiorka indray no hanaovana serasera fa ho avy. Tao anatin’ny taona amam-bolana maro maimbo sy difotry ny fako teo Antananarivo, dia izao lasa manome fe-potoana herinandro hatramin’ny folo andro hivahan’ny olana satria nisy fitaovana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Akaiky ny fifidianana dia lasa mahay mamaha olana sy haingam-piasa tampoka fa hatramin’izay tsy hita izay tena natao ? Sao dia mba azo hoentina amin’ity resaka 10 andro ity ihany koa ilay famahana ny olam-bahoaka maro fa tsy misy tsy mikolaly ny ambanilatra ? Ny làlana tapitra potika saingy hodiana mitapy araka ny fitanin’ny tanora. Nankaiza ny vola tokony hikojakojana ny làlana no toa tsy nisy nijoro nanazava sy nitondra ny setriny tamin’ny tenin’ilay diplaomaty vahiny fa tany amin’ny resaka fanolanana no nihazakazahan’ny mpitondra ? Betsaka ireo tondro maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra, tsy fahaiza-mitantana, tsy fahaizana mijery ny laharam-pahamehana,… hany ka miha mikorosy fahana hatrany ny firenena. Tsy ny serasera sy ny fitanisana vina izatsy na izaroa na zavatra lazaina fa hatao sy efa mandeha no taratra sy tondro momba ny fandrosoana fa ny fahafahan’ny isam-batan’olona miaina araka ny tokony ho izy. Mbola heverina hahomby ve ny endrika fanabadoana amin’ny fanaovana be fihetsiketsehana satria akaiky indray ny fotoana ilana ny vatom-bahoaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap