ny hoe tombon-dahiny ny an’ireo firenena efa mandroso. Ny irariana dia ny hahatongavantsika firenena mbola mahantra ihany koa amin’izany toerana izany. Tsy fanery toy ny voalobo-jaza teren-ko masaka akory io fandrosoana io ary inoana fa samy maharaka izany ny rehetra hatramin’ireo minia mbola mitsikera hatrany izay tsy fisiana fandrosoana hatreto eto amin’ity firenena ity izay aza. Heverina fa zo fototra rahateo moa ny fanehoan-kevitra ka tsy hanomezan-tsiny an’iza na iza izany. Zo toy izany ihany koa ny miady hevitra momba ny hoe inona marina moa no tena nofaritana ho andraikitr’izao fitondràna mijoro ankehitriny izao? Efa tokony hiresaka an’izany fampandrosoana izany ve? Rafitra afaka mampandroso ity firenena ity koa ve izy io? Na ny fivoahana ara-diplaomatika efa vitan’ilay hoe filohan’ny fanavaozana aza dia efa nampiady hevitra be. Isan’ny fanontaniana nipetraka tetsy sy eroa ny hoe fahefàna avy aiza, ohatra, no nahafahany manao fifanarahana amin’ny firenena rosianina momba ny resaka fitaovam-piadiana sy fiofanana ara-tafika? Tsy tokony ho ny fikaonandoham-pirenena ve no mamaritra ny azony atao sy tsy azony atao ka noho izany andeha aloha atao izay fikaonandoha izay? Ahoana ity filoham-panjakàna miisa 5 ity? Izany no santionan’ny adihevitra mandeha izay mbola mampisamboaravoara ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy any amin’ny hoe mety sa tsy mety mihitsy aloha hatreto no fanontaniana sy valinteny misongadina fa dia izay voafintin’ny hoe ahoana no ahafahana mitondra fanavaozana eto amin’ity firenena ity? Ahoana no atao hanovàna ny tsy mety rehetra teto amin’ity firenena ity? Inoana, araka izany, fa samy miaiky ny rehetra hoe misy toe-draharaha marolafy mila ovàna aloha eto amin’ity firenena ity fa raha tsy izany hitohy tsy afa-mikofoka toy izay niainana tamin’ny andron’ny frantsay mbola teto hatrany. Araka izany, enga anie mba toy ny natao tamin’ny baolina kitra talohan’ny taona 2019 ihany ity resaka fampandrosoana ny firenena malagasy ity. Mandeha tsikelikely fa tsy fanery!
J. Mirija