airtel

Edito

15-janv-2024

Tsy maha rototra

Mampahatsiahy ny fehezantenina mpandraharaha iray izay

Sample post image

izy ity hoe efa mitady ho zatra miaina anaty tsy fahanjariana isika izany.

15-janv-2024

Ny fakobe miparitaka eraky ny tanàna tokoa moa izany izao efa mitady ho tsy maha rototra intsony. Mitabataba kely anaty tambazotran-tserasera na mivazivazy sady manome fantsy kely any dia efa “samy ça va!”, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Rehefa tsy misy fampandrenesan’ny JIRAMA ny mikasika ny herinaratra sy rano na koa hoe jiro sy rano moa ny fiantsontsika dia raikitra ny menomenona sy fandorana kodiarana amin’ny toerana sasantsasany satria amin’ireny fotoana ireny dia iaraha-mahita fa tena vao mainka mampikaikaika tokoa ilay toe-draharaha. Fahatapahan-drano sy herinaratra lavareny io. Amin’ny fotoana hisian’ny fampandrenesana indray aza izany no toa mba azo iafiana ary araka ny efa nambara teo moa, hita izany tamin’ny faran’ny herinandro, tsy maha rototra!? Io lera sy toerana tonotononin’ny JIRAMA io moa efa im-piry tsy nifanaraka tamin’izay voalaza fa efa lasa tsy maha rototra intsony ilay izy e! Efa mitady ho fahazarana ilay fiainana tsy mandeha amin’izay laoniny. Na ny governemanta natsangana ny harivan’ny alahady teo koa aza, eny fa na dia mpanara-baovao izao, no efa nisy sahy nilaza ampahibemaso fa tsy rototra tamin’izany intsony ary heverina ho tsy diso fanantenana rahateo koa angamba izy ireo satria dia ireny niaraha-nahita ireny, saika ny teo ihany no teo! Tsy misy maha rototra ny ankamaroan’ny olompirenena intsony ny raharaham-pirenena nanomboka tamin’ny fifidianana ka hatramin’izao hoe hananganana governemanta izao. Tokan-jotra tanteraka tsy misy varavarana tokoa angamba ny filaza azy na hoe midona amin’ny rindrina, hoy ilay filohana antoko politika iray izay. Na ilay filoham-pirenena lany aza hita ho niambakavaka ihany tery amin’ny CENI sy ambony polipitran’ny Kianja Barea tery nandritr’ireo fotoana heverina ho tokony naha ravoravo amin’ny maha fandresena azy saingy tanteraka hatramin’izao angamba moa ny akon’ilay teny “vazaha” hoe “A vaincre sans péril, on triomphe sans gloire!” na hoe “Fandresena tsy nisasarana tsy matsiro”, hoy ny tononkiran’ny mpanakanto mpiangaly mozika Rap malagasy iray izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap