airtel

Edito

20-juin-2022

Edito

Tsy mahatan-damba e !

Sample post image

Raha misy zavatra tian’izao fitondrana izao indrindra angamba dia ny resaka kifetifety hanaronana ny fahasahiranan’ny vahoaka.

20-juin-2022

Tena tia manao fampisehoana manangona artista, hampitsinjaka sy hampandihy vahoaka. Adino ao anatin’ny ora maromaro ny fahantrana sy ny fahasahiranana mandifotr’olona rehefa mitsinjaka sy mampandihy fitombenana. Eo no hararaotina hanaovana fampanantenana amin’ny alalan’ny kabary politika mirefodrefotra. Zary lasa mitombo izany haingam-panahy, ambony ny fientanam-po hampanantena zavatra rehefa vory vahoaka,… Tena tsy mahatan-damba fa toa propagandy vita ho azy ka dia hararaotina hatrany e! Ny vokatra tsy tena tsapa mivaingana fa ny fampanantenana sy fampisehoana aloha dia tena raitra. Vao fanombohana asa dia efa handaniana volabe an-jatony tapitrisa maro, ka ny serasera no zava-dehibe mba hanasongadinana fa miasa sy manao zavatra, raha tsy hiresaka afatsy io RN13 io. Tsy adino ny manaratsy ireo fitondrana nifanesy ho tsy nahavita, fa ilay Filoha ankehitriny no tena hanao zavatra. Lasa resy lahatra fa ny làlana no lalan-dran’ny firenena, raha toa ka nisy ny fivoizana fa angaha ny làlana azo hoanina? Adino fa efa nisy ny fiketrehana ny fanamboarana iny làlam-pirenena iny talohan’ny Fanonganam-panjakana, eny fa ny makany Maintirano izay isan’ny tena mampikolay aza efa teo am-pikotrehana izany no nandamoaka vokatry ny fionganana. Itony hireharehana ka fametrahana vato fototra aza hanaovana seho goavana itony, dia ny Fanjakana teo aloha no angady nananana sy vy nahitana. Mifoha indray ny fampanantenana fitarihan-drano makany Atsimo, izay efa tamin’ny oktobra 2020 no nampanantenaina. Zavatra iray mety in-telo, in’efatra, in-dimy hanaovana fampanantenana vao mety hanomboka. Miha manatona ny fifidianana ka tsy maintsy hakarina ny daozin’ny fampanantenana e! Vato fototra aza hanaovana fety! Rehefa tsy vita dia hatao fitaovana indray any aoriana hoe: raha tsy izaho ny fidianareo dia sarotra ny hahavitan’ireny asa natomboko ireny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap