izao no efa tsy nisy izay tsy nahita, na iza izy na iza nahatsapa ny tenany ho nitolona, fa mandady ny trambom-porongon’ny fitondràna teo aloha. Mbola te hiverina anaty fitondràna izy ireo, mba tsy ilazàna hoe mbola te handrombaka indray ny fitondràna. Ny filoham-pirenena teo aloha irery no nasaina ho avy teny Ivato nandritry ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena kanefa dia dimy aman’enina, 10 mihitsy aza angamba no isan’ireo nilaza ho solontenan’izany olon-tokana izany. Asa, raha oharintsika amin’ny fanasàna anatina fety aman-danonana toy ny fanambadiana izany, ohatra, ataontsika hoe manasa olona iray avy aminareo no voasoratra ao anaty ferapara dia ireny anefa fa forongon’olona marobe no mipoitra avy any, hoy ny fomba fitenintsika izay. Inona izany no filaza ny olona manao fihetsika toy izany? Fihetsik’olona tsara taiza na koa hoe nahazo fitaizàna sahaza ve no manao toy izany? Anjarantsika mpitazana sy mpandinika no mamaly azy. Somary maha lasa saina ihany, indrindra, ny mahita hoe ny fihetsik’ireo olona fiantso amin’ny anarana manome lanja ny maha izy azy manokana toy ny hoe «honorable» na ara-bakiteny dia hoe mendrika omem-boninahitra no isan’ny manao fihetsika toy izany. Tena mendrika izany fiantsoana izany ve ilay fihetsika. Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa ny taratra ao anatin’izay izany dia tsy miafina ny mbola fisisihan’ireo olon’ny fitondràna teo aloha haka indray ny fitantanana ity firenena izay tsy nahitàna fandrosoana mihitsy ity tao anatin’ny 16 taona nibahanan’izy ireo ny fitondràna ny raharaham-pirenena teto. Hita ho misisika any amin’ireo faritany miisa 6 toy izany koa hatramin’ireo tsy nahay afa-tsy nandrangitra mpiray tanindrazana fotsiny teny amin’ny tambazotran-tserasera tao anatin’izay 7 taona izay. Ny mpanara-baovao moa dia manombana mihitsy hoe izy ireny ihany angamba no mpivoy ireo kaonty fako tsy niketrika afa-tsy fampisaraham-bazana teto amin’ity firenena ity tamin’ireny fotoana ireny. Misy manao azy io hatrany am-pitan-dranomasina mihitsy moa ary mitazana ny fihetsiky ny mpitondra fanjakàna izany isika eto hoe hidoboka ao anatin’izany fanangolena sy mety ho velampandrika izany ve izy ireo sa inona no ho fepetra raisiny? Ao ireo mitsikera ny tranga rehetra. Ao ireo milaza ho manohana ilay fitondràna fa ny tena azo lazaina aloha izany, ho an’ireo tena mandinika ny tranga rehetra, dia ny hoe tsy mailo amin’izao, tsy ho mailo intsony!
J. Mirija