dingana entina mamadika pejy ho an’ny Firenena. Mbola anatiny sy an-dalana isika izao ! Ekena ny ezaka sy ny fanovana efa ezahana hapetraka, saingy tsy azo adinoina fa anaty vanim-potoana manokana i Madagasikara, sarotra ny hahita fanovana fiovana goavana na ekena aza fa efa misy ireo ezaka sy vokatra samihafa efa hita mazo. Sarotra ao anatin’ny vanim-potoana manokana ny hoe : afaka mampiakatra 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny fitondrana, ny ezaka fampihenana ny delestazy izay isan’ny olana stratejika,… Mbola betsaka ihany koa anefa ireo ezaka mila apetraka. Any amin’ny fikaonandoham-pirenena no herin’ny zavatra rehetra hoe : ahoana no tena hananganantsika Firenena ? Ahoana no hametrahana arofanina ara-politika sy ara-pifidianana ka tena hanjakan’ny demokrasia sy ny safidim-bahoaka ? Ahoana ny tsy hiverenan’ny fanjakan-jiolahy intsony fa mba ho mpitondra tena hijery izay mahasoa ny Firenena? Tsy misy ny tonga lafatra, fa miezaka manatsara isika, saingy raha sanatria diso lalana sy diso kajy dia mety loza lavitra noho ny teo aloha no hitranga. Raha tarafina amin’ny fihaonana savaranonando mandeha mantsy, eo ny finiavana hivelatra sy hifampiresaka amin-kitsim-po ataon’ny Fanjakana, fa mbola hita taratra ihany ny kajikajy politika samihafa arakaraka ny tombotsoan’ny mpandray anjara tsirairay. Asa izay tokoa ve ilay hevitra tera-bary ? Na izany aza, enga anie ka tsy ho tonga any amin’ny vela-pandrika na tsindry ka sanatria ilay fikaonandoham-pirenena ho lasa fanadiovana ny ota sy ny fahotana mahafaty teto amin’ny Firenena. Tokony hisy vidiny ny aim-bahoaka sy fikirizana teny an-kianja niadiana ny handrava ny ziogan’ny fanjakana mamohehitra !
Toky R