mila fanavaozana eto hahafahana miroso makany amin’ny fanovana sy fiovana. Tsy manan-tsafidy hanao fahadisoana ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ny ambana samihafa, fa iny efa nolazain’ny Praiminisitra iny hoe : tsy misy safidy afatsy fahombiazana. Tsy vitan’ny resaka ambony latabatra anefa io, tsy vitan’ny tsilalaon-teny, tsy vitan-kabary,… fa tena mitaky vokatra fa tsy asa akory aza araka ny tenin’ny lehiben’ny governemanta hatrany. Asa hanao ahoana izany ny ho firafirafitry ny governemanta ? Tena hiainga amin’ny mason-tsivana makany amin’ny fahombiazana sa sanatrian’ny vava mbola handeha resaka tsindritsindry politika ? Tsy ny mpanao politika no ratsy, ary tena misy ny antoko namolavola sy nitaiza ny mpikambana ao aminy ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana, handray andraikitra,… Ilay kajikajy politika ho amin’ny tombotsoan’olom-bitsy no mila sorohana, firenena no jerena, vahoaka no tompoina,… Betsaka ireo sedra manangasanga, ny olana tsy takona hafenina, ny tsindry avy ato anatiny sy ivelany na ara-politika na ara-toekarena, ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny tontolo jeopolitika,… Tsy manome fotoana ho antsika hanaovana andrakandrana sy kitsapatsapa izao fa tena fotoana anehoana fahaiza-manao sy politikam-pitantanana mahomby na ekena aza fa tsy mora ny manao zavatra. Tsy manan-tsafidy hanao fahadisoana intsony isika eo anatrehan’ny zavatra mahazo ny Firenena sy iainan’ny vahoaka!
Toky R