airtel

Edito

13-avril-2022

Edito

Tsy mihetsika

Sample post image

Izay tsy mihetsika mihitsoka, izay tsy mahandry mandeha, hoy ny mpanoratra, Elie Rajaonarison, izay

13-avril-2022

 

. Dia samia tokoa ary varimbarian-dalao eto foana na hoe mandrimandry manana aretina, hoy ilay fiteny azy izay. Miakatra, midangana efa ho isan’andro ity ny vidin’entana eny an-tsena. Tsy zarizary ny fiharian’ny mponina. Manahirana ny fampiakaram-bokatra kanefa dia efa tsizarizary koa izany vokatra izany manoloana ity fahasimban’ny tontolo iainana miseho lany hatrany ity. Mbola tsy fiantraikan’ilay ady any avaratra any akory no miseho eto an-tanana, hoy ireo mpamakafaka izay, dia efa izao sahady. Na inona na inona aloha fanazavan’ny tompon’andraikitra sy manam-pahefana dia tsy mihetsika amin’ny efa niainany teo ny olan’ny vahoaka Malagasy. Vao miha mihombo aza. Ny tranga tsy mazava sy mampanongo tena na ilay antsoin’ny vazaha hoe “scandale” anefa ity no miseho lany isan-tsehatra. Izany no mba karazana vaovao mafana na hoe “actualité” eto amin’ity firenena isany lohalaharana amin’ny fahantrana eto ambonin’ny tany ity. Niseho izany tany amin’ireo minisitera. Hita ihany koa tany amin’ireo andrim-panjakana hafa. Izao na hatraty amin’ny tontolon’ny fitantanana ny sehatry ny fitandroana ny filaminana koa aza efa manomboka maha lasa saina ny maro hoe aiza koa no hisy an’izany zandary sandoka izany dia 2 taona aty aoriana vao traingo, hoy ny filazan’ny tanora azy izay? Amin’io miara-maka sary tamin’ny akama rehetra tao, nilalao basy, nilamindamina niara-nisotro labiera sy ny ambiny rehetra? Ny vahaolana etsy an-kilan’izay anefa dia famindramindrana olona amina toerana isan-karazany no miseho anatin’ilay fitondrana. Toa manolo tsy manolo izany koa aza fa rehefa naha be resaka tao amina minisitera dia nafindra departemanta hafa fotsiny! Ny sasany natao tale. Ny sasany natao ambasadaoro. Ny sasany izay mbola tsy tafaverina angamba efa nahazo toky fa tsy maintsy mbola hahazo ny anjarany farany ihany. Tsy misy matoam-baovao mba mandranitra sy mikolo ny saim-bahoaka hampitsiry fanantenana azy mihitsy ve izany fa dia izany lalao fifanakalozan-toerana tsy hanome azy afa-tsy fahantrana tsy mihetsika sy vao mainka mihombo izany foana no ho fahanana azy eto ?
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap