airtel

Edito

05-avril-2024

Tsy misy distrika

hadino fa amin’ny fahantrana !

Sample post image

Olana etsy, grevy eroa, fahasahiranana, fahantrana,… !

05-avril-2024

Ireny no mandrafitra ny fiainana ara-tsosialy ankoatra ny voka-dratsin’ny loza voajanahary. Mihasarotra ny toe-draharaha ary toa efa misy endrika fipoahana sosialy samihafa. Tsy sanatria finiavana sy fitiavana hitanisa zavatra miiba fa inona tokoa moa ny zavatra tena mba mandeha amin’ny laoniny eto. Feno katroka omaly 04 aprily ny 100 andro nomen’ny fitondrana hitondrana vahaolana ho an’ny vahoaka dia inona no mitranga ankehitriny? Niakatra 500% ny saran’ny internet, tafakatra 7000Ar ny kilaon’ny tongolo, efa 6000Ar ny kilaon’ny siramamy, nitombo an’hetsiny maromaro ny saran’ny tapakilan’ny fiaramanidina zotra anatiny, ny vary efa manafosafo ny 3500Ar ny kilao, ny krizin-drano sy delestazy efa saika manerana ny Nosy, ny làlana tapitra potika,… Rehefa zohiana, dia tena tsy misy tsy mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny olana sy fahantrana vokatry ny fitotongana ara-toekarena sy ny tsy fahaiza-mitantana. Raha amin’iny lafiny indray aloha dia tena tanteraka ara-bakiteny ilay hoe: tsy misy distrika ho adino, saingy any anatin’ny fitomboan’ny fahantrana sy ny fahasahiranana. Ireny iaraha-maheno ireny fa hatrany amin’ny kaominina Anivorano Avaratra izay efa ho an’arivony kilaometatra miala an’Antananarivo aza efa midina an-dalambe ny vahoaka noho ny tsy fisian-drano. Izany ny zava-misy tao anatin’ny 100 andro, saingy ny Filohan’ny Antenimierampirenena nilaza ny zava-misy iainan’ny vahoaka indray no naongana, ny ben’ny tanànan’Antsiranana atao hazalambo, eny fa hatramin’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina aza moa natsangana ho fahavalo. Tena efa nihoarana mazava ho azy ilay tenin’Andrianampoinimerina hoe : ny ranomasina no valam-parihiko, hany ka hatramin’ny diplaomaty goavana misolo Vondrona firenena matanjaka maro eto ambonin’ny tany aza tandrohana. Marina manana ny fiandrianam-pirenentsika isika, tsy tokony hozimbazimbaina, ary tsy hasiana hena-maso na firenena madinika aza. Raha tena izay tokoa anefa moa maninona ny zava-doza dia no toa fiheveren-tena ho tsy refesi-mandidy sy tsy hanaiky ho diso mandrakizay ka indraindra toa efa mikitika ny tsy fikitika ! Lany anandro manangana ady sy manangam-pahavalo, fa tsy mahahovoka eo anatrehan’ny famahana ny olam-bahoaka. Manomboka mampiakatra ny daozin’ny fahasahiana ka asa ho tonga hatraiza ity fiheveren-tena tsy mba ho tratry ny aloka ity ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap