na notakiana mihitsy ny fialàny teto amin’ity firenena ity izay no mba hoe nanaiky moramora niala tamin’ny toerany izany na dia efa hita mazava izao aza fa tsy mahavita azy intsony na koa tena tsy mahavita azy mihitsy? Hatramin’ny fifampitondràna ao anaty governemanta mihitsy no iaraha-mahita fa mitombina hatrany ilay fitenenana hoe avy any ambony ny ohatra. 8 taona izao ny firenena no latsaka lalina tao anaty fahantrana fa tsy nisy praiminisitra nametra-pialàna izany teo. Ny mpanara-baovao aza gaga fa ny filoham-pirenena mihitsy indray no toa miaro azy sy milaza matetika hoe mety amiko ny miaraka aminy? Ny filoham-pirenena ihany koa io iaraha-mahita na aiza na aiza toerana hikabariany eto amin’ity Madagasikara ity io fa aminy dia mandeha izao fiainam-pirenena izao ary mankany amin’ny fampandrosoana satria «Madagasikara tsy maintsy mandroso!». Izay mahita ny mifanohitra amin’izay rehetra angamba izany aminy adala na pahana sy jamba ary tsy mahita ny fahasambaram-bahoaka eto amin’ity firenena ity, araka ny nambarany tamina haino aman-jery vahiny mihitsy! Tsy mihinana kaviara sy fromazy ireo, hoy izy izay, fa mihinam-bary sy henan’omby! Izay izany aminy no atao hoe vahoaka sambatra ary efa sambatra izao ny malagasy ka aleo hijanona amin’izao. Na miaina anaty fahatapahan’ny herinaratra lavareny io na tsy misy rano na tsy mandry fahalemana amin’ny endriny rehetra na tsy mahita solika na inona na inona fahasahiranana lalina mianjady aminy isan’andro eo dia amin’izao fitondràm-panjakàna izao izany tsy misy tokony hiala eo satria efa sambatra ny vahoaka malagasy fa mihinan-kenan’omby sy vary. Mbola miaina araka ny tokony ho izy koa ve nefa ny tantsaha mpamoka-bary eto amin’ity firenena ity sa efa vonoina amin’ny fampidirana vary safiotra ny tsenany na koa vonoina amin’ny fanafarana karazam-bary vahiny samihafa? Miaina tsara ve ny mpiompy omby sa tsy mandry fahalemana amin’ny asan-dahalo? Fanontaniana mipetraka avokoa izany rehetra izany saingy hatreto aloha izany na inona na inona fanontaniana apetrakao eo dia tsy misy miala eo!
J. Mirija