airtel

Edito

11-avril-2024

Tsy ny pejy no avadika fa ny boky no soloina !

Tapitra ny 100 andro voalohany nitantanan’ny filoha

Sample post image

ankehitriny amin’izao taom-piasana faharoa izao, ka ho fanehoana ireo asa vitan’ny minisitera tsirairay avy tao anatin’ny 100 andro,

11-avril-2024

hono, dia ho zaraina amintsika eto ny tatitra, amin’ny alalan’ny horonan-tsary fohy isaky ny minisitera, mandritry ny andro vitsivitsy nanomboka omaly hatramin’ny alatsinainy 15 aprily. Mbola mampiseho hatrany ny fihetsiketsehana ivelany sy ny serasera. Vita ny zato andro fa moa tena arakaraka ny filazana fa hitondra vokatra misongadina eo amin’ny fiainam-bahoaka ny zava-misy ankehitriny ? Ny tsy takona hafenina, dia tsy rototra firy sy tsy miraharaha izay olam-bahoaka any, ary misy oloben’ny fitondrana mahavoaka vava aza fa na vazaha na tsy vazaha no mitondra dia tsy ho avotra intsony i Madagasikara. Dia mbola azo eritreretina hanana fo mitempo fitiavan-tanindrazana sy hitsinjo ka hanao izay hampandrosoana ny Malagasy sy ny firenena ve ny tahaka izany ? Mbola ny hanamafy orina ny seza politika no mahadodona, ka mipoitra daholo izao adin’ny kanosa samihafa izao satria tsy mahatoky tena, tsy mahatoky ny asa sy ny zava-bita, tsy atokisan’ny vahoaka,… Vao zato andro nitondrana indray ny firenena dia izao no rivotra politika sy sosialy ary toekarena iainana. Tsy misy vahoaka tsy mitaintaina amin’ny ho avy satria tsy manan-kantenaina firy, fa krizy mandavan-taona, olana mihombo, aretin’ny firenena miitatra,… vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Mbola hisy ve ny fahagagana ka ilay delestazy mampikolay ho resy ato anatin’ny 100 andro manaraka, ilay vidim-piainana midangana hihamalefaka tsy ho ela, ilay fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka hiverina amin’ny laoniny, ny Malagasy handry fahalemana sy hanan’asa, ny solombavambahoaka tena hiady ho an’ny valalabemandry fa tsy ho mpisolelaka hiaro ny tsy fahombiazan’ny mpanatanteraka,…? Mbola nofy izany hatreto, saingy tsy mahazo kivy ny rehetra, fa mila mandray andraikitra! Tsy ny pejy intsony angamba no mila havadika fa ny boky mihitsy no tokony hosoloina!
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap