airtel

Edito

05-oct-2026

Tsy tongatonga ho azy !

Somary mihazakazaka kely

Sample post image

indray aloha ny toe-draharaha politika,

05-oct-2026

ary azo lazaina ho somary mafampana. Tsy any amin’ny resaka fanoherana na hetsika politika, fa any anaty kajikajy samihafa. Heverina fa tsy tongatonga ho azy ny fanambarana na fivoizana zavatra sy trangan-javatra mafampana. Nisongadina ohatra ny fanambarana nataona andiana tanora sy mpanao politika fa vonona hiditra ao anatin’ny governemanta, dia mandeha ny fanenjehana mafy mpikamban’ny governemanta iray na vitsivitsy lazaina fa tokony hosoloina,… Heverina fa tsy tongatonga ho azy ireny, fa misy dikany sy tanjony, ary indrindra misy mpanao politika ao ambadika. Ny mpamingana avy any ivelany efa fantatra sy tsy ferana, fa ny mpamosavy malemy ihany koa mila fehezina. Toa manahirana ihany mantsy ity kivadibadika palitao ity ka mety hanahirana ihany ny hanavaka ny tena namana sy mody namana ! Dia iny nambaran’ny Praiminisitra iny ihany koa omaly, fa tsy mbola misy resaka fanovana governemanta amin’izao ary tsy any ny resaka sy adihevitra hatreto. Na izany na tsy izany, ekena ny ezaka mandeha, ekena ny fisian’ny vokatra ary misy minisitera tena misongadina,… fa mila jerena ihany koa hoe : iza no mahomby ? Iza no tsy mahomby ? Iza no mila ampitomboina ny ezaka ? Zava-dehibe ny kabary sy fampanantenana, fa mila hamafisina ny asa sy ny vokatra mivaingana azo tsapaina amin’ny fiainam-bahoaka, mba tsy sanatria ho ronono an-tavy toy ny teo aloha no betsaka. Mila miaiky ny lesoka, mila manarina ny tsy mety, fa indrindra manaporofo amin’ny vahoaka fa tena mihavao sy mivoatra ny fitantanana ny Firenena. Betsaka ny olana, saingy ny fahaizana miatrika sy mamaha krizy no isan’ny mari-pandrefesana fa mahomby ny fitondrana iray.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2026

mahasaringotra olona ambony teo aloha.

Card image cap