airtel

Edito

08-juil-2021

Edito

Valala an-danitra

Sample post image

Mivaona tanteraka any amin’ny resabe tsy mitondra mankaiza ny fiainam-pirenena. Zary lasa fanontaniana mipetraka ny hoe:

08-juil-2021


 inona indray ny zavatra kisampontsampona mety hiseho anio? Ao ny mety ho zavatra mandeha ho azy sy tsy ampoizina, ary misy no toa foronina hanadalana saim-bahoaka. Asa rahoviana ihany re vao ho voalanjalanja sy voadinika hifanaraka amin’ny tena zava-misy ny zavatra resahina sy hatao eto? Toa samy manao izay reviny, samy mametraka izay laharam-pahamehana aminy,… Tsy misy sori-dàlana mafonja intsony hoe raha miala eto amin’ny teboka A isika amin’ny fahantrana ohatra, dia rahoviana no ho tafiala eo ka ho tonga any amin’ny teboka B? Mila paikady voalanjalanja, mila hoenti-manana mafonja, mila olona mahay mahalala ary mahavita ny fanatanterahana izany, fa tsy zavatra manidintsidina lava. Ny antsika kosa toa misavoamboana lava, avy eo mamoron-javatra hoenti-mamily ny saim-bahoaka tsy hahatsiarovana fa nisy valala teny an-danitra nambara fa hasiana sira, kinanjo tsy voasambotra mandrak’androany. Lazaina fa hatao sangany indrindra aty Afrika isika, kanefa ny zava-misy dia tsy sasatry mamonjy ny rambony. Lazaina fa hanavotra izao tontolo izao, kanefa ny kere any Atsimo aza tsy vahaolana raha tsy misy fangorahan’izao tontolo izao, nolazaina fa havadika toa an’I Paris I Ambatondrazaka ka asa hoe mby aiza izany. Notebahana ho tsy nahavita azy tany Atsimo ny mpitondra mifanesy ka mby aiza ny fahagagana noresahina fa efa hivalona indray ity ny volana sao ho lasa toy ny “digitalisation” izay nambara hatao 10 andro, kanefa efa herintaona sy telo volana katroka anio izay ny balaroran’ny Filoha Rajoelina. Ambara fa mpandainga sy mpamitaka amin’izany ve dia ny olom-pirenena no diso sy holazaina fa mpaniratsiratsira mpitondra Fanjakana? Na inona na inona fanazavana sy fanadiovan-tena, dia efa tena betsaka izay lainga nafafy izay, saingy mbola minia mangina aloha ny olona. Rehefa feno anefa ny kapoaka mitobaka ihany, ary raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap