airtel

Edito

20-avril-2022

Edito

Valala eny an-danitra…

Sample post image

Mandeha indray aloha ny serasera manaka-danitra hoenti-maneho fa mahazo hatrany ny fitokisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny Fanjakana tarihin’Atoa Andry Rajoelina.

20-avril-2022

Isan’izany ny 534,9 tapitrisa dolara haompana amin’ny fanamboaran-dàlana sy ny ara-pahasalamana. Vita ny sonia fa hanao ahoana ny dingana manaraka? Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza, hoy ny oha-pitenenana Malagasy ka sao dia ny serasera hatrany indray no mipoapoaka fa ny fanatanterahana mihisatra dia mihisatra. Mbola ho sarotsarotra ny dingana na “procédures” mialohan’ny tena fivoahan’ny vola na “déblocage”. Tsy ho vita vetivety, ary ahiana mety mbola ho aorian’ny fifidianana aza. Tsy mandehandeha ho azy ny famoaham-bolan’ny mpamatsy vola mahazatra izany, fa misy pitsopitsony mila arahina: Fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly, demokarsia,… Tsy mbola afaka misioka noho izany raha tsy efa tafavoaka ny ala sao hanao vava tahaka ilay RN13 kinanjo dila ihany ny 2020 sy 2021 tsy tanteraka ihany. Hatramin’izao ve dia mbola tsy nahazo lesona ihany ny Fanjakana Rajoelina? Tànana efa zatra mitsotra ihany koa anefa io etsy andaniny, ka tsy mahazo aina raha tsy mirehareha, midoka tena,… Mba fantatra sy azo refesina ihany rahateo ny tanjak’izao fitondrana izao amin’ny lafiny diplaomasia raha mitaha ireo Fanjakana teo aloha. Any amin’ny fahatanterahan’ny asa sy ny fampanantenana no handrefesana azy fa tsy any amin’ny serasera ka dia miandry indray izany Ramalagasy hoe: ho avy indray ve ny fahagagana sa mbola ho nofy ririnina no ho betsaka? Tsaroana tsara ny vava be tamin’izany fotoana fa na amin’ny 2050 aza tsy handroso i Madagasikara raha mbola hiantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra izay mampahantra firenena? Aiza ho aiza i Kaomoro nolazaina fa hampindramina vola mitaha amin’ilay nilaza fa hampindrana? Efa tena tafahoatra ny politikan’ny valala eny an-danitra sy ity fivadibadihan-dela ity, kanefa dia mbola hitombo afo folo heny io miaraka amin’ny fampantenana tsy hita pesimpesenina satria mafy izany tsy te ho very seza e !

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap