airtel

Edito

26-juil-2021

Edito

Valala nosamborim-boka ?

Sample post image

Resabe mbola mitana ny sain’ny maro hatramin’izao ilay raharaha famonoana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Mifamahofaho ny toe-draharaha ara-politika, ary samy manana ny androritany azy.

26-juil-2021

Mirarakopana ny fanamelohana etsy sy eroa eo anatrehan’ny hoe misy mikatsaka hamono ny Filoha. Tsy azo hamaivanina izany na mitombina na tsia, fa ny iaraha-mahita raha tarafina amin’ny fanehoan-kevitra samihafa, dia misy ny tsy mino sy milaza fa tonga indray ny sinema sy ny fanodinkodinana saim-bahoaka satria efa zatra manao sarimihetsika rahateo ny Fanjakana Rajoelina, ary porofo mivaingana tamin’izany ilay mpaminany Brezilianina, ny fampanantenana poakaty maro,… Ao ny milaza fa fahavalom-pirenena izay mikasa hanao izany. Na ny mpanohana fitondrana, na ny mpanohitra dia samy maneho fa tsy mety izany, ary tsy toe-tsaina Malagasy. Ao kosa ny mitaky porofo mazava sy azo antoka. Arahaba soa arahaba tsara, tsy maty fo aman’aina izany ingahy Filoha raha tena mitombina tokoa iny resaka iny, ary samy miandry izay ho fivoarany ny rehetra. Fanamarihana manitikitika eo anatrehan’ny fanamelohana samihafa dia ny hoe: rehefa ny lehibe izany no voakitikitika sy tandindonin-doza dia mirarakopana ny fanamelohana? Sanatria manamaivana io toe-javatra voalaza fa saika hatao tamin’ny Filoha ankehitriny izay vao fikasana raha tena marina. Fa moa mba firy ny mpanao politika indrindra ireo mpanohana fitondrana mba nijoro teo anatrehan’ny famonoana mivantana na ankolaka ny Malagasy? Moa tsy noboriboriana fotsiny tamin’ny hoe: tifi-danitra ilay fahafatesana mpianatra vao erotrerony tany Toamasina? Moa mba nasiany vidiny ny ain’ilay tovolahikely mbola tsy ampy taona voalaza fa niharan’ny herisetra miaramila tetsy Ivato? Omena ny samy variana hoe: mandeha ny fanadihadiana dia vitavita ho azy eo!? Tsy famonoana vahoaka mivantana ve ny tsy fahafehezana ny vidim-piainana, ny tsy fahafehezana ny fandriampahalemana? Tsy mbola nisy angamba fanambarana miezinezina nataona antenimiera roa tonta momba ireny vono olona mivantana na ankolaka ireny satria aim-bahoaka mahantra tsy tànana handrangotra tsy tongotra hitsipaka, tsy hahazoana tombotsoa politika raha tsy amin’ny fifidianana, ka matimaty foana toy ny valala nosamborom-boka. Vain-drahalahy tsy mba maharary.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap