airtel

Edito

04-janv-2024

Vao manomboka dia mikatso !

Aty amin’ny fanendrena Praiminsitra sy

Sample post image

fananganana governemanta, dia efa hita ho sahirana sy

04-janv-2024

mihisatra ny Fanjakana ankehitriny. Tsy arakaraka ilay fihazakazahana nanao fifidianana amboletra sy namoaka valiny haingana dia haingana, ary niroso tamin’ny fianianana maika dia maika. Samy miandry rehetra hoe : iza izany no hotendrena ? Hanao ahoana ny ho firafitry ny ekipa vaovao ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka ? Hisy tokoa ve ny fisokafana sy ny pi-maso amin’ny fanoherana eo anatreha’ny karana toromarina mety tsindry avy ato anatiny na avy any ivelany mahazo ny mpitondra eo anatrehan’ny tsy fisian’ny fahamarinan-toerana politika ? Mety mbola ho adihevitra sy adivarotra be ihany koa io satria mety hisy indray ny himenomenonana fa ry zareo no namony ny voay dia ny hafa no hiravaka ny vanginy. Rehefa tena jerena amin’ny zava-misy manjo ny firenena, dia endrika ivelany avokoa izany resaka olona sy tsangan’olona hapetraka eo izany, ny fahamarinan-toeran’ny mpitondra no mety hokajiana kokoa,… Ny tena olana mila handaniana rondoha dia ny fahantram-bahoaka, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fananan’asa, ny tsy fisian’ny politikam-pamokarana mahomby sy sahaza ny firenena,… kanefa dia toa lany andro amin’ny adin’akoho ka adino ny adin’ombalahy. Tsy mila fitavozavozana, tsy mila seho ivelany sy ronono an-tavy intsony, fa tena fiarenan’ny firenena sy ny vahoaka no andrasan’ny maro an’isa. Misy ve ny paikady sy ny hoenti-manana ary ny olona tena manana fahaiza-manao hanatanterahana izany sa mbola hena-maso ara-politika no hanjaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap
13-mai-2024

Tanàna misy antsika izy, nolokoina menamena. Tanàna menamena izy, feno trano mangamanga.»,

Card image cap