miaina eto amin’ity Madagasikara ity! Miha miakatra ny maripàna politika. Ny fihetsika heverina hoe fihetsika politika na «comportement» politika mitranga rehetra dia mampiahiahy daholo. Mampanahy ny fifamatoran’ny anaran’ny olona heverina ho matanjaka indrindra eto amin’ity firenena ity sy ny fivoaran’ny tranga ara-pandriampahalemana, ara-toekarena, ara-politika izay efa voalaza teo hatramin’ny ara-tsosialy, izay tena miha mangotraka noho ity olan’ny tsy fisiana rano sy herinaratra ity. Na ny grevin’ireo mpianatry ny anjerimanontolo aza mbola azo lazaina hoe takotakon’izany na dia tena efa mampanahy be ihany koa amin’izao fotoana izao ny hoavin’ireo tanorantsika ireo. Miezaka ianao amin’ny maha mpikirakira sy mpamakafaka ny fiainam-pirenena mitsongoloka hoe inona ihany re sisa no mba mandeha eto amin’ity firenena ity? Inona no mety mba hitondra andro mihiratra kely ho an’ilay vahoaka malagasy sy mety mba hampihena ny fitaintainany manoloana ireo tranga amin’ny fiainana an-davanandrony eto amin’ity firenena ity? Tsy maraina, tsy atoandro, tsy alina, tsy misy fotoana tsy itaintainana amin’ny tsy fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tsy mandry fahalemana koa ny tontolon’ny asa satria mihena ny vokatra ary mitombo ny fatiantoka. Anarany izao mba hoe fetin’ny ray ny alahady teo nefa dia voatery naverina ireo famandrihana mofomamy satria tsy nahafahana nikarakara izany ny olan’ny herinaratra. Ny orinasa mikatona mikatona. Ny very asa sy lasa tsy an’asa mitombo. Hanao ahoana ny hoavin’ny taranaka? Maha velona ahiahy hatrany!
J. Mirija