airtel

Edito

09-avril-2021

Edito

Very ny fifamelomana

Sample post image

Isan’andro, efa hila tsy ho voatanisa ireo marary sy lavon’ity areti-mandoza ity eny anivon’ny fiarahamonina eny.

09-avril-2021

 Miezaka miaro tena ireo mbola tsy voa. Mitsabo tena kosa ireo marary ary fanontaniana mety azo apetraka ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao ny hoe isan’ny azo lazaina ho toe-javatra miabo ihany na dia anaty areti-mandripaka aza ve ankehitriny ny fiverenan’ny Malagasy an-doharano mikasika izay tontolon’ny fitsaboana izay? Tsy mifidy saranga intsony amin’izao fotoana izao ny fividianana ireo raokandro sy ady gasy samihafa toy ny kininim-potsy, ny ravintsara, ny mandravasarotra sy ny sakaizany rehetra raha toa ka voatsaratsaran’ny fiarahamonina matetika ho somary hafahafa teo aloha teo ny karazana Malagasy nanao izany. Malaza koa moa izao ity “Ed” ity saingy eo ankehitriny no mbola ahitana ny lesoka sy tranga mampalahelo amin’ny fahapotehan’ny fiarahamonina Malagasy. Mampivarahontsana ny mahita ireo sarin’olona toa fianakaviana iray mihitsy mamokatra vokatra hosoka azy ity. Ilay soatoavina isan’ny tena nanan-danja teto hatramin’izay mihitsy indray no lasa very na dia miha miverina aza ny faharesen-dahatra amin’ny fitsaboana amin’ny alalan’ireo vokatry ny tany. Very ny fifamelomana fa mitombo ny endrika fifamonoana isan-karazany na dia nalaza ho tompon’ny fihavanana aza izany Malagasy izany. Ny olana amin’ny sehatra hafa ankoatry ny fahasalamana koa anefa mitombo sy tsy hitan’ny fitondrana mijoro mihitsy hatreto izay hitsaboana azy. Miandry ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay.

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap