airtel

Edito

27-juil-2022

Edito

Voamason’omby maty ?

Sample post image

Mandeha indray ny fampitenenana ireo mpanao politika sy vondron’olom-bitsy mpanohana fitondrana hanehoana fa mbola mamim-bahoaka izao fitondrana ankehitriny izao.

27-juil-2022

Ny sasany aza moa dia tena sahy milaza sy miteny fa tena mandroso ny firenena ary tsy mbola nisy nahavita tahaka ny nataon’izao fitondrana izao? Sao dia ny ambaindain’ny harena amam-pananan’izy ireo no mandroso sy milamina dia ny vahoaka no terena hitovy amin’izany? Tena tonga amin’ilay fitenin’ny filohana andrim-panjakana iray hoe: manao tahaka ny voamason’omby maty ka mijery ihany fa tsy mahita. Tsy finiavana hitsikera na fankahalana fa tena mbola tsy nisy fahasahiranana mandifotr’olona tahaka izao tao anatin’ny 60 taona, na maro aza ny krizy nandalo teto amin’ny firenena sy maneran-tany. Samy mba niaina krizy ihany ireo Filoham-pirenena nandray fahefana, raha tsy hilaza afatsy ny tato amin’ny 20 taona farany, saingy ny an’ity ankehitriny ity toa mitarika midina isak’izay mahazo fahefana. Tsy misy resaka tsangan’olona, fa nandeha ny krizin’ny 2001-2002, fa nahavita nametraka harin-karena faobe 7,1% ambony indrindra ny mpitondra tamin’izany tao anatin’ny 7 taona nitondrany, fitaratry ny Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana ara-indostrialy i Madagasikara. Tonga ny tetezamiitatra 5 taona, dia nivarina an-kady i Madagasikara. Tonga indray ny Fanjakana vaovao ny 2013 napetraky ny tetezamita, saingy nahozongozona rehefa tsy nety natao saribakoly. Na izany aza, mba nahavita nametraka fototra nahafaha-nanainga ny toekarena 5,4%. Tonga indray anefa ity, dia izao ny zava-misy, mijotso any an-davaka indray ny firenena, ary miseho ny fihemorana sy fahantrana tsy mbola hita tao anatin’ny 60 taona. Fialana bala sy fanilihana andraikitra no hany mirarakopana. Herintaona mahery tsy hifaranan’ny taom-piasana mbola fampanantenana mirarakopana tahaka ny mbola propagandy sy fiomanana amin’ny progandy manaraka. Miharihary fa betsaka ny mpisolelaka sy mpanipy hoditr’akondro ao anaty fitondrana, ka na efa manao fahadisoana mirarakopana aza dia mbola “mety izao prezida”. Iaraha-mahalala ny zava-nisy sy misy, ka anjaran’ny rehetra ny maka lesona. Andeha hindramina kely ilay hoe: “Tsy ny mpitondra no mamotika ny firenena fa ny vahoaka mahita izany kanefa mitazam-potsiny”. Tsy resy ny olo-mangina, ary ny biby hanaikitra tsy mba mivovo, ka tandremo ihany ny ampitso e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap