havana toy ny mahazo na mahatratra ny tena ihany! Izay, raha iverenana ny fiforonan-teny na "étymologie" an'izany fomba fiteny hoe voin-kava-mahatratra izany. Kolontsaina malagasy hatramin'ny faha vazimba na ireo razambentsika tsinona ny fifampitondrana toy ny mpihavana ary izany no antsoina hoe fihavanana. Na tsy mpihavana misy ra iraisana aza dia nifampitondra ho toy izany mpihavana izany hatrany. Izany no antony nanaovan'io malagasy io ny antsoina hoe fatidra mba hisy, na dia ampahany ihany aza, ra ao amin'ny andaniny hikoriana ao amin'ny ankilany. Fomba malagasy mirakitra kolontsaina lalina izany mba tsy ifanarian'ny mpiray tanindrazana fa ifanohanany sy ifanampiany, indrindra, anaty vanim-potoana manahirana ny mpiray tanindrazana toy izao fandalovana andro ratsy na rivo-doza. Tanan-kavia sy havanana, izay didia-marary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana. Vokatry ny kolontsain'ny fihavanana avokoa izany rehetra izany ary iandrasana ny mpiray tanindrazana hifanampy sy hiray hina anaty vanim-potoana toy izao. Inoana fa kolontsaina sy fomba mbola tsy very ary ankamamiantsika hatrany.
J. Mirija