airtel

Edito

04-août-2021

Edito

Zatra ny làlan-dririnina…

Sample post image

Fomba fitenin’ny Malagasy hatramin’izay ny hoe: “zatra ny làlan-dririnina ka na efa fahavaratra avy no manao hitsin-dàlana”.

04-août-2021

 Natao hamaritana ireo zatra toetra sy fomba ratsy io, ka na amin’ny fotoana tokony tsy hampisehoana ny toetra sy ny fomba mamohehitra aza, dia mbola manao ny tsy fanao noho ny fahazaran-dratsy. Mifankaiza amin’izany moa ny fomba fiasa, fitantanana, ny fanaovana politika,… na koa ny fomba firesaky ny politisianina sy ny mpitondra eto ankehitriny? Efa latsaka an-davaka noho ny tsy fahaiza-mitondra ny firenena, hanjakan’ny kolikoly avo lenta, mahantra fadiranovana ny vahoaka, mitontongana ny toekarena sy ny sosialy,… Amin’ny ankampobeny, tsy mba misy fiovana makany amin’ny tsara na ekena aza fa misy ihany ny zavatra mamirapiratra ezahina hisintonana ny mason’ny Malagasy sy apetraka mba holazaina fa tandindon’ny fandrosoana sy ny fampandrosoana. Zary lasa haingo ambony tsikoko anefa satria tsy voafehy sy voalanjalanja eto ny hoe: inona no maika? Inona no laharam-pahamehana? Inona no mahasoa ary inona no mahafinaritra? Rehefa mba misy mitsikera an’ireny, dia lazaina fa tsy tia fandrosoana, mpanakorontana, mpamingana,… Fady tanteraka izany mba hiaiky ny hadisoana sy fanintsiana ny dia izany. “Izahay aloha izao no eto dia aleo izahay hitondra sy hanao izay tianay”, hoy ny sasany. Hatreto, zary lasa mandeha jonjorombona tsy misy sori-dàlana hitondrana azy intsony I Madagasikara satria izy ireo izao no eo, dia izay tiany sy metimety aminy, fa tsy mifanaraka intsony amin’izay olana iainan-dRamalagasy any. Sanatriavin’ny vava toa maneho ankolaka hoe: anay ny sandry, anay ny vola, anay ny fahefana,… ka tsisy afa-mikofoka eo ka na mety ataonay na tsia dia tsy maintsy ekenareo. Ny tokony tsy hohadinoina dia efa 2021 isika izao fa tsy 2009 na 2018 intsony. Efa naka lesona ny olona, mampitaha amin’ny fijery tsy miangatra hoe: nanao ahoana ny fiainany tamin’izao sy izao ary mby aiza ankehitriny? Sao mbola manonofy Revolisionina sy fananganan-tsandry sy basy, fa efa miova ny tantara. Tsy misy manao ratsy amin’ity tany ity ka afa-maina fotsiny izany fa ny fotoana hijinjana ny nafafy no mety samy manana ny azy. Sao mba efa fampisaintsainana io miseho io ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap