airtel

Fahasalamana

23-août-2024

ANDRANOFASIKA AMBATOBOENY

Mpivady voan’ny SIDA nanjavona tsy hita

Sample post image

Atahorana mafy ny fihanaky ny tsimok’aretina VIH/SIDA any amin’iny distrikan’Ambato Boeny iny.

23-août-2024

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Solohery Ramanantsoa, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny CSB Andranofasika mantsy dia nisy mpivady izay samy voamarina fa voan’ny aretina SIDA hita sy nandalo tao amin’izy ireo saingy tsy hita intsony taorian’ny nandefasana azy teny amin’ny hopitaly ambonimbony kokoa. Bevohoka ilay Ramatoa raha araka ny fanazavany, izay tsy maintsy manao fitiliana SIDA rehefa manara-maso ny fahasalamany eny anivon’ireny CSB ireny. Rehefa voamarina fa marary ity farany dia notiliana ihany koa ny vadiny ary fantatra fa samy mitondra ny tsimokk’aretina VIH/SIDA izy mivady. Nomena taratasy mba hahafahany manatona hopitaly misy dokotera manam-pahaizana manokana izy ireny vokatr’izany saingy teny an-dalana dia nanjavona. Miantso ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hanofana ireo mpitsabo eny anivon’ny CSB mikasika ny fandraisana an-tanana ireo olona mararin’ny SIDA ity dokotera ity vokatr’izany. Toraka izany koa ny fanamafisana ny fanentanana hatao amin’ny mpiara-belona.
Pati
Legende : Amin’ny alalan’ny fitiliana irery ihany no hamantarana ny
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olona miisa 30 no fantatra fa matin’ny aretina tsy fantatra tany amin’ny distrikan’Ikongo.

Card image cap
20-mai-2025

Ny 40%-n’ny Malagasy no fantatra fa lasibatry ny tosi-dra avo amin’izao.

Card image cap