airtel

Fahasalamana

22-avril-2024

ARETI-NIFY

Ny 90%-n’ny zaza latsaky ny 6 taona no tratrany

Sample post image

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

22-avril-2024

Ankoatra ny fihinanana zavatra mamy loatra, mamay loatra na mangatsiaka loatra dia anisan’ny antony mahatonga ny areti-nify ihany koa ny fahaizana mikolokolo ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava na ho an’ny ankizy izany na ho an’ny olon-dehibe. Tokony hoborosiana in-telo isan’andro mantsy ny nify dia ny maraina izany, ny atoandro ary ny hariva samy aorian’ny sakafo avokoa. Tsy tokony ho latsaky ny 3 minitra ihany koa ny hanaovana izany isanisany ary hatao isaky ny lafiny telo. Betsaka anefa ireo tsy mahavatra izany. Mba hahafahana mitaiza sy mikolo ireo ankizy madinika, indrindra hisorohana ny areti-nify mety hahazo azy ireo ary dia nanentana ireo mpianatry ny EPP Ankorondrano Andranomahery ny Consulat de Monaco ny faran’ny herinandro teo. Tanjon’izy ireo ny hitaizana ny ankizy mpianatra ho tia mikolo sy mikarakara ny nifiny ary hahafahany ihany koa mampita izany amin’ireo manodidina azy. Marihina moa fa antony iray mety haharatsy nify ny ankizy ihany koa ny tsy fahampian-tsakafo antony mahatonga ny mpitsabo hanentana hatrany ny amin’ny tokony hihinanana voankazo sy legioma isan’andro miampy ireo sakafo feno hery fiarovana hanohanana ny vatana.
Pati
Legende : Mbola tsy zakan’ny ankamaroan’ny ankizy ny alana nify tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Mihatanora hatrany ireo olona lasibatry ny karazana areti-mandoza eto amintsika.

Card image cap
02-mai-2024

Mihatanora hatrany ireo olona mitondra ny otrik’aretina Vih/SIDA eto amintsika.

Card image cap
02-mai-2024

Mandeha tsara amin’izao fotoana izao ny famokarako, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana avy ao Ambohimafana,

Card image cap