airtel

Fahasalamana

08-mai-2023

Fahasalamana

Aretina mamany lava Hisy fandidiana maimaimpoana indray

Sample post image

Betsaka ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava eto amintsika. Noho izy ireny tsy nanaiky hodidiana noho ny

08-mai-2023

antony maro samihafa nandritra ny fahasarotam-piterahana nahazo azy no voalaza fa antony mahatonga izany ka nandrovitra ilay tatavia. Vokany, tsy mahatazona fivalanan-drano intsony ny ankamaroan’izy ireny hany ka hahiliky ny fiaraha-monina. Na ny fianakaviany aza tsy mahazaka azy noho ny fofona aterak’izany, antony manosika ny pavillon Sainte Fleur sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy avy any ivelany toy ny UNFPA hanatanteraka fandidiana maimaim-poana. Ny 18 ka hatramin’ny 28 mey ho avy izao no hanatontosana izany ho an’ireo vehivavy 16 ka hatramin’ny 50 taona. Tanjona ny hahafahana manavotra ny fiainan’ireny vehivavy tratry ny aretina mamany lava ireny na eo anivon’ny tokantranony izany na ho an’ny fianakaviany ihany koa. Raha tsiahivina moa dia efa nahatratra 1.172 ireo vehivavy nodidiana tatavia tamin’ny taona 2022 teto amintsika. Mikasika ny fizotry ny fandidiana manokana dia fantatra fa nahomby izany tamin’ny ankapobeny. Ny 60%-n’ireo marary no sitrana soa aman-tsara raha nisy kosa ireo naverina nodidiana hatrany amin’ny fanin’eniny vao nilamina tanteraka.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap