amin'ny areti-mandoza Mpox any amin'ny distrikan'Arivonimamo. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly Alatsinainy 30 Martsa ny hetsika izay natao amin’ny CHRD Arivonimamo. Ny vaksiny IMVANEX no natao tamin'izany ho fiarovana amin’ny valanaretina MPOX. Tafiditra ao anatin’ny ezaka hiadiana amin’ny fiparitahan’ity aretina ity ny hetsika indrindra amin’ireo faritra efa nahitana tranga voamarina. Laharam-pahamehana tamin’ity andiany voalohany ity ny mpiasan’ny fahasalamana, ny mpiasam-panjakana eny ifotony, ary ireo olona heverina ho marefo izay nahatratra am-polony maro. Tanjona ny hiantohana ny fiarovana ireo sokajy mora tratran’ny aretina sy ireo izay eo amin’ny laharana voalohany amin’ny ady amin’ny valan'aretina. Tsara ny manamarika fa isan’ireo distrika efa nahitana tranga MPOX voamarina ny Distrikan’Arivonimamo, antony iray lehibe nanosika ireo tompon'andraikitra hanatanteraka izany. Nandray anjara tamin’ny fanokafana ofisialy ny hetsika ny solontena avy amin’ny OMS, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanànan' Arivonimamo, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny sampandraharaha teknika.
Pati
Légende : Nisantatra ny fanaovam-baksiny ireo tompon'andraiki-panjakana !