airtel

Fahasalamana

27-juil-2026

MPOX eto Madagasikara

Tafakatra 20 ny maty, 72,62%

Sample post image

ny tahan'ny fahavoazana

27-juil-2026

Mbola tena misedra fiparitahan’ny aretina Mpox izay mbola mitaky fitandremana hentitra i Madagasikara na tsy dia maharototra ny olona aza. Hatramin’ny tranga voalohany voamarina tamin’ny 18 Desambra 2025, tranga 4 656 no voarakitra hatramin’ny 23 Jolay 2026, ka 3 048 voamarina tamin’ny alalan’ny fitiliana. Tamin’ireo santionany 4 197 notsirihana ara-pitiliana, 72,62 % no hita fa mitondra ny tsimokaretina, manaporofo fa mbola avo ny tahan’ny fiparitahana ary ilaina ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy ara-pisorohana. Efa nahafatesana olona 20 ka ny tranga farany dia ny faran'ny herinandro teo izay vehivavy antsoina hoe Ravoahangimalala Léonie 47 taona, nonina tao Vavatenina, izay narary nanomboka ny 02 jolay. 2 145 kosa no voamarina fa sitrana. Nisy ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana, ary ny fandrisihana ny maha-zava-dehibe ny fanaovana vaksiny, saingy tsy mahataitra ny Malagasy. Ho fanamafisana ny ady amin’ny Mpox, 30 000 doses vaksiny novokarin’ny Bavarian Nordic no nampidirina teto Madagasikara tamin’ny 5 Martsa 2026. Ireo vaksiny ireo dia naparitaka tsikelikely araka ny laharam-pahamehana napetraky ny Ministeran’ny Fahasalamana, ary ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olona tena atahorana no nomena tombony voalohany, saingy tsy arakaraka ny tanjona ny vokatra azo tamin'ny vaksiny ho an'ny daholobe. Ny fepetra fisorohana toy ny fanasana tanana matetika, ny fanaovana sarontava amin’ny toerana be olona, ary ny fanajana ny elanelana ara-batana dia notanisaina ho fitaovana lehibe amin’ny famerana ny fiparitahan’ny tsimokaretina. Nisy sy mitohy anefa ny fampitandremana mba ho mailo amin’ny fisehoan’ny soritr’aretina mampiahiahy toy ny tazo, fery amin’ny hoditra, na havizanana tsy mazava, ary ny fanatonana haingana ny toeram-pitsaboana raha misy soritr’aretina miseho.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-juil-2026

Mitohy ary mihamatotra ny fiaraha-miasa

Card image cap