amin’ny vava sy orona ary midina any amin’ny tratra dia maharitraritra tato ho ato. Taloha raha nahita isika dia 3 na 4 andro, hoy izy, dia sitrana ny gripa fa amin’izao mandritry ny herinandro na mihoatra dia mbola mitaraina foana ilay marary. Mbola mahatsiaro reraka. Tsy COVID io satria ny COVID efa misy soritra mazava hamantarana azy. Efa mora hita sy mila karazana fanafody manokana koa iny. Heverina ho isan’ny mitondra aretina io fiovaovan’ny toetry ny andro sy loto eto Antananarivo io. Tian’ilay aretina koa ilay mangatsiaka ka ireo rehetra ireo mitambatra no isan’ny mampaharitra ilay aretina. Karazana gripa mahazo hery hafa angamba io. Ohatrany hoe mahazo hery vaovao. Tsy dia tsara izao ny mihinana zavatra mangatsiaka be. Ankoatran’izay dia fiarovana koa ny arotava sy fanasana tanana araka ilay efa natoro tamin’ny COVID ihany. Efa tsotra kokoa izao ny fomba fitsaboana gripa, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra ity.
J. Mirija