airtel

Fahasalamana

18-juil-2025

Fanafodin’ny «Botulisme»

«Ny antsoina hoe «Antitoxine botulique» ihany»

Sample post image

Ny «Bacille» «Costridium botulinium» na «botulisme» dia bakteria,

18-juil-2025

hoy ny fanazavàn’ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Mitovy amin’ny tetanosy io, hoy izy. Mipetraka amin’ny tany. Ny «spore» no mandeha. Mety ho entin’ny rano io. Mety entin’ny anana hohanina na sakafo hafa. Mahazo toerana mety aminy izy dia mamorona an’ilay poizina na «toxine». Raha ny tokony ho izy, tsy mivelona anatina sakafo mamy io bakteria io ary marina ilay hoe tsy velona anaty «Donat». Ohatran’ny amin’ny difteria izany io hoe misy an’ilay «toxine» fotsifotsy manampotra be iny. Io poizina io no manakana ny fifandraisan’ny hozatra na «muscle» sy ny rentsika na «nerf». Tsy voabaikon’ilay hozatra intsony ny rentsika dia milatsaka ho azy, ohatran’ny hoe «paralysé» na malemy, ny mason’ilay olona. Avy eo mankany amin’ny tenda dia any amin’ny tratra. Tsy voabaikon’ilay tratra avy eo io poizina io dia malemy ilay olona. Izay no mitranga rehefa voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo. Fantatry ny mpitsabo ny karazana poizina rehetra. Izay ilay hoe «toxicologie clinique». Fantany koa izany hoe izao no tokony hitranga rehefa poizina ohatran’izao no namely ilay olona. Ny vehivavy izao mikarakara tarehy na hoe «beauté». «Toxine botulique» voalanjalanja no ampiasaina amin’izany. Ampidirina amin’ny hoditra iny mba ialàn’ilay kentrona amin’ny tarehy. Maharitra 6 volana any mihitsy no faharetan’ilay fiasany. 320 Euro no vidin’ny seraingina «Botox» iray. Izay no ilazàna hoe tsy mampifandray intsony ny hozatra sy ny rentsika io «toxine botulique» io. Ny antsoina hoe «Antitoxine botulique» ihany, tsy misy hafa tsy izay, no fanafodin’ny «botulisme», hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas Faravohitra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

Ebola ny tsy fandriampahalemana

Card image cap
29-mai-2026

Na zaza vao teraka aza dia azo hatao didim-poitra.

Card image cap