airtel

Fahasalamana

11-déc-2025

Feno 50 taona ny CHU-HJRA

Fitsaboana ireo aretina

Sample post image

mila fandidiana no tena sahaniny

11-déc-2025

Iray amin’ireo hopitaly lehibe « centre de référence de l’océan Indien » eto Afrika atsinanana ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona na CHU-JRA. Ahitana sampan-draharaha ara-pitsaboana maro ao aminy saingy isany tena ahafantarana azy ny maha « établissement à vocation essentiellement chirurgicale et d’exploitation para clinique » azy, izany hoe mirona kokoa any amin’ny fitsaboana ireo aretina mila fandidiana. Amin’ny maha CHU (Centre Hospitalier Universitaire) azy ihany koa dia saika nandalo fiofanana tao avokoa ireo mpianatra lasa mpitsabo na teknisianin’ny fahasalamana. Tao ihany koa no nanofanana ireo manam-pahaizana sy namoahana mpampianatra mpitsabo manam-pahaizana izay misy eny amin’ny anjerimanontolo. Feno 50 taona amin’ity taona 2025 ity ny nijoroan’ny HJRA. 50 taona nandraisana an-tanana ireo marary mila fitsaboana, 50 taona nanasoavana ny Malagasy. Anisany nanamarika izay 50 taona izay hoy ny Filohan’ny komitin’ny fankalazana ny fampitaovana vaovao azon’ireo sampandraharaha tsirairay avy ao an-toerana. Fanatsarana izay mbola hitohy ato anatin’ny 50 taona manaraka raha ny fanazavana. Hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana sy fampahafantarana misimisy kokoa ny ampahany amin’ireo sampan-draharaha izay misy eo amin’ny HJRA izay notanterahana omaly teo an-tokontaniny moa no nentin’ity hopitaly lehibe eto Madagasikara ity nanokafana ny fankalazana ny faha-50 nijoroany. Tsiahivina fa famatsiam-bola azon’i Madagasikara tamin’ny « communauté économique Européenne », ny taona 1965 no nahafahana nanangana azy ity. Ny taona 1973 no nahazo anarana hoe « Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona » izy ary ny taona 1975 no nanomboka niodina ny « service laboratoire » tao an-toerana.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique