320 sy fitaovana avo lenta « GigaDoc » ny Rosianina
Taorian’ny fanomezana fitaovana raitra sy fampitaovana avy amin’ny orinasa Tsingshan ahafahana mandray an-tanana ireo marary mila « dialyse », dia nahazo « valise médicale » avy amin’ny orinasa Sberbank amin’ny sehatra indostria medikaly sy sy ny Fanjakana Rosianina i Madagasikara. Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny faran’ny herinandro teo fanolorana ireo fitaovana ireo. Anisan’ny fitaovana natolotra ihany koa ny fitaovana fitiliana ara-pahasalamana « GigaDoc », izay mampiasa ny teknolojian’ny faharanitana artifisialy na ny « IA » ka afaka mandrefy ao anatin’ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo, ny tosidrà ary ny haavon’ny adin-tsaina. Afaka manampy amin’ny fandinihana ny endrik’olona ihany koa izy io. Ankoatra izany, nisy ireo fitaovana fitiliana rà ahafahana mamantatra haingana ireo filàna ara-pahasalamana maika. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny sampana indostrian’ny fahasalamana ao amin’ny Sberbank, Sergueï JDANOV, fa tsy natao hametrahan’ny GigaDoc fitiliana ara-pitsaboana ireo fitaovana ireo, fa hanampy amin’ny fisorohana sy ny famantarana mialoha ireo mety ho olana ara-pahasalamana. Tsy nisy ihany koa ny fiofanana nomena ireo mpitsabo malagasy tamin’ny fampiasana azy. Notsindrian’ny Filohan’ny Fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael kosa fa tsy tokony ho tara amin’ny fampiasana ny teknolojia artifisialy ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara. Araka ny fanazavany, afaka manampy amin’ny famantarana ny aretina ao anatin’ny 15 segondra monja ireo fitaovana ireo, sady afaka manampy ny dokotera amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra haingana kokoa. Nohamafisiny ihany koa fa zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fananana fitaovana afaka manatsara ny tolotra ara-pahasalamana, indrindra ho an’ireo toera-pitsaboana tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana, ary ireo faritra mbola sahirana amin’ny fahazoana fitsaboana. Ankoatra ny fanomezana fitaovana, dia nasongadin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa tokony hampihenana ny fandaniana sy ny fotoana lany amin’ny fivezivezena ihany koa izany. « Tokony hampidina ny vola haloan’ny Vahoaka ny fampiasana ireo fitaovana ireo fa tsy izy ireo indray no hentina hampitomboana ny saran’ny fitsaboana », hoy izy. Haparitaka eny anivon’ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) sy tobim-pahasalamana eny anivon’ny distrika (CHRD), indrindra any amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalana, ireo fitaovana ireo. Naneho fisaorana tamin’ny anaran’ny Vahoaka Malagasy ny Filohan’ny Fanavaozana, ho an’ny Fanjakana Rosianina sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra nahafahana nitondra ireo fitaovana ireo eto Madagasikara. Notsindriany fa porofon’ny fisokafan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia amin’ny sehatra maro izany, fa tsy voafetra amin’ny lafiny ara-miaramila ihany.
Toky R